I Samuel 25

Na ka mate a Hamuera, a ka huihui a Iharaira katoa ki te tangi ki a ia, a tanumia iho ia ki tona whare ki Rama. Na ka whakatika a Rawiri, a haere ana ki te koraha o Parana.
Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
A i Maono tetahi tangata, kei Karamere ona taonga; he nui rawa taua tangata, e toru mano ana hipi, kotahi mano nga koati: heoi kei te kutikuti tera i ana hipi ki Karamere.
Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
Na ko te ingoa o taua tangata ko Napara, ko Apikaira hoki te ingoa o tana wahine; a he pai nga whakaaro o te wahine, he mata ataahua ano hoki: he pakeke ia te tane, i kino hoki ana mahi; no te whare ano ia o Karepe.
Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.
A ka rongo a Rawiri i te koraha kei te kutikuti a Napara i ana hipi.
Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
Ka unga etahi taitama e Rawiri, kotahi tekau; i mea hoki a Rawiri ki nga taitama, Haere ki runga ki Karamere, a ka tae ki a Napara, ka oha ki ai ia, me te whakahua ano i toku ingoa:
Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.
A kia penei ta koutou ki atu ki taua tangata e noho ora mai nei, Kia mau te rongo ki a koe, kia mau te rongo ki tou whare, kia mau te rongo ki au mea katoa.
Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
Na kua rongo nei ahau he kaikutikuti au: na, au hepara i a matou ra, kihai ratou i ahatia e matou, kihai rawa hoki tetahi o a ratou mea i ngaro i nga ra katoa o ratou ki Karamere.
Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
Mau e ui ki au taitama, a ka korerotia e ratou ki a koe. Na kia manakohia nga taitama na e koe; kua tae mai hoki matou i te ra pai. Tena, homai ta tou ringa i tupono ai ki au pononga, ki tau tama hoki, ki a Rawiri.
Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
Na, i te taenga o nga tangata a Rawiri, korerotia ana e ratou enei kupu katoa ki a Napara, me te whakahua ano i te ingoa o Rawiri, a heoi ano ta ratou.
Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
Na ka utu a Napara ki ta nga tangata a Rawiri, ka mea, Ko wai a Rawiri? ko wai hoki te tama a Hehe? he tini nga pononga i enei ra e tahuri ana i o ratou rangatira.
Fa Nabala namaly ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.
Me tango koia e ahau taku taro, toku wai, me aku mea hoki i patua nei e ahau ma aku kaikutikuti, me hoatu ma nga tangata kahore nei i mohiotia e ahau no hea ranei ratou?
Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
Na ka tahuri nga tangata a Rawiri ki to ratou ara, a hoki ana, haere ana, korerotia ana e ratou ki a ia enei mea katoa.
Dia nihodina ny zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
Na ka mea a Rawiri ki ana tangata, Whitikiria a koutou hoari, e tenei, e tenei. Na whitikiria ana e ratou tana hoari, tana hoari; i whitiki ano a Rawiri i tana hoari. Na ka haere ki runga, ka whai i a Rawiri: tata tonu aua tangata ki te wha nga rau; e rua hoki nga rau i noho ki nga taonga.
Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.
Otiia ka korero tetahi o nga taitama ki a Apikaira wahine a Napara ka mea, Nana, i tona mai etahi tangata e Rawiri i te koraha, ki te oha ki to matou rangatira; heoi whakatupehupehu ana ia ki a ratou.
Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
Otiia pai rawa aua tangata ki a matou, kihai hoki i aha ki a matou, kihai ano i ngaro tetahi mea a matou i nga ra katoa i haereere tahi ai matou me ratou, i a matou ra i te parae.
Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
He taiepa ratou ki a matou i te po, i te ao, i nga ra katoa i tata ai matou ki a ratou, i a matou e tiaki ana i nga hipi.
Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
Tena ra, mau e whakaaro, e titiro ki tau e mea ai; kua takoto hoki he kino mo to matou rangatira, ratou ko tona whare katoa: koia rawa hoki kia tama ia na Periara, kahore tetahi e ahei te korero ki a ia.
Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
Na hohoro tonu a Apikaira, maua atu ana e ia he taro e rua rau, he waina e rua nga ipu, he hipi e rima, he mea kua oti te taka, he kanga pahuhu e rima nga mehua, he tautau karepe maroke kotahi rau, he papa piki e rua rau, he mea whakawaha ki te kaihe.
Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.
Na ka mea ia ki ana taitama, Hoake ki mua i ahau; tena ahau te haere atu na i muri i a koutou. Kihai hoki i korerotia e ia ki tana tahu, ki a Napara.
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
Na i a ia e haere atu ana i runga i tona kaihe, a e heke atu ana i te wahi ruru o te maunga, na ko Rawiri ratou ko ana tangata e heke mai ana, e tika mai ana ki a ia; na pono tonu atu ia ki a ratou.
Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
Heoi kua ki a Rawiri, Maumau tiaki noa ahau i nga mea katoa a tenei koroke i te koraha, kahore rawa hoki tetahi o ana mea katoa i ngaro; na utua mai ana e ia te pai ki te kino.
Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
Kia meatia tenei e te Atua ki nga hoariri o Rawiri me etahi mea ano hoki, ki te waiho e ahau o ana mea katoa i te aonga ake kia kotahi nei tamaiti tane.
Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
Na, i te kitenga o Apikaira i a Rawiri, hohoro tonu ia, marere ana ki raro i te kaihe, tapapa ana i te aroaro o Rawiri, me te piko ano ki te whenua.
Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
Na ka takoto ia ki ona waewae, a ka mea, Hei runga i ahau, e toku ariki, hei runga i ahau te kino; na kia korero tau pononga wahine ki ou taringa, whakarongo mai hoki ki nga kupu a tau pononga.
Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
Kaua te ngakau o toku ariki e mea ki tenei tangata a Periara, ki a Napara: ko tona ingoa hoki, ko ia, rite tahi: ko Napara tona ingoa; kei a ia ano te wairangi. Ko ahau ia, ko tau pononga wahine, kihai i kite i nga taitama a toku ariki i tonoa a ke ra e koe.
Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
Na, e toku ariki, e ora ana a Ihowa, e ora ana hoki tou wairua, i a Ihowa kau pupuri nei i a koe i te hara o te whakaheke toto, kei pa tou ringa ake ki te rapu utu, kia rite aianei ki a Napara ou hoariri, me te hunga e rapu ana i te he mo toku a riki.
Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
Na, ko tenei manaakitanga i kawea mai nei e tau pononga ki toku ariki, tukua kia hoatu ki nga taitama i raro i nga waewae o toku ariki.
Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
Tena ra, whakarerea noatia iho te kino a tau pononga wahine; he mea kua takoto rawa ta Ihowa whakapumau i te whare o toku ariki; e whawhai ana hoki toku ariki i nga whawhai a Ihowa; a e kore e mau tetahi he ou i ou ra katoa.
Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.
Ahakoa whakatika mai tetahi tangata ki te whai i a koe, ki te rapu i tou wairua, heoi ka paiherea te wairua o toku ariki ki roto ki te paihere ora ki a Ihowa, ki tou Atua; ko nga wairua ia o ou hoariri ka piua atu me te mea no waenga pu i te kot aha.
Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
A tenei ake, kei ta Ihowa meatanga ki toku ariki i nga mea katoa i korerotia e ia hei pai mou, a ka whakaturia koe e ia hei rangatira mo Iharaira;
Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
Na, e kore tenei e waiho hei whakapouri mou, hei whakararu ranei mo te ngakau o toku ariki, ara tau whakaheke noa i te toto, te rapu ranei a toku ariki i te utu mona ake: e puta raia ta Ihowa pai ki toku ariki, na kia mahara ki tau pononga wahin e.
dia tsy ho alahelo na ho nenina amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
Na ka mea a Rawiri ki a Apikaira, Kia whakapaingia a Ihowa, te Atua o Iharaira, nana nei koe i tono mai i tenei ra ki te whakatau i ahau.
Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
Kia whakapaingia ano tou whakaaro tika, kia whakapaingia ano koe, mou i pupuri i ahau i tenei ra i te hara o te whakaheke toto, i te rapu utu hoki a toku ringa ake.
Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
Na e ora ana a Ihowa, te Atua o Iharaira, nana nei ahau i pupuri kei kino ki a koe, me i kahore koe i hohoro te haere mai ki te whakatau i ahau, ina, kihai i toe ki te awatea apopo teahi mea a Napara kia kotahi nei tamaiti tane.
Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
Heoi ka tangohia e Rawiri i tona ringa nga mea i kawea mai e ia ki a ia, a ka mea ki a ia, Haere i runga i te rangimarie ki tou whare: titiro, kua whakarongo nei ahau ki tou reo, kua whakapai hoki ki a koe.
Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
Na haere ana a Apikaira ki a Napara, a i te mea hakari tera i roto i tona whare, koia ano kei te hakari a te kingi, a koa ana te ngakau o Napara i roto i a ia, he nui hoki tona haurangi. Na kihai i korerotia e ia tetahi mea ki a ia, ahakoa iti, ahakoa rahi, a marama noa te ata.
Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.
A, i te ata i te mea ka kore atu te waina i a Napara, na korerotia ana e tana wahine ki a ia enei mea katoa; na mate iho tona ngakau i roto i a ia, heoi kua rite ia ki te kohatu.
Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
A, ka tekau nga ra, ka patua a Napara e Ihowa, a ka mate.
Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
A, no te rongonga o Rawiri kua mate a Napara, ka mea ia, Kia whakapaingia a Ihowa i tohe nei i te tohe ki a Napara mo toku tawainga; i pupuri nei i tana pononga kei kino, a whakahokia atu ana e Ihowa te kino a Napara ki runga ki tona matenga ake. Na ka tono tangata a Rawiri ki te korero ki a Apikaira, ki te tiki i a ia hei wahine mana.
Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
A, i te taenga o nga tangata a Rawiri ki a Apikaira ki Karamere, ka korero ki a ia, ka mea, I tonoa mai matou e Rawiri ki te tiki mai i a koe hei wahine mana.
Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
Na ka whakatika tera, a piko ana tona mata ki te whenua, ka mea, Tenei tau pononga hei pononga wahine, hei horoi i nga waewae o nga tangata a toku ariki.
Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
Na hohoro ana a Apikaira, a whakatika ana, eke ana ki te kaihe; tokorima hoki ana kotiro i haere tahi me ia; na aru ana ia i nga karere a Rawiri, a ka waiho hei wahine mana.
Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
I tangohia ano e Rawiri a Ahinoama o Ietereere; a ka waiho raua tokorua hei wahine mana.
Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
Heoi kua hoatu e Haora a Mikara tana tamahine, te wahine a Rawiri, ki a Parati tama a Raihi, o Karimi.
Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.