Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto. Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo? Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy. Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy. Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
А між наріжною горницею до Овечої брами направляли золотарі та крамарі. І сталося, як почув Санваллат, що ми будуємо того мура, то він запалився гнівом, і дуже розгнівався, і сміявся з юдеїв. І говорив він перед своїми братами та самарійським військом і сказав: Що це роблять ці мізерні юдеї? Чи їм це позоставлять? Чи будуть вони приносити жертву? Чи закінчать цього дня? Чи оживлять вони ці каміння з куп пороху, а вони ж попалені? А аммонітянин Товійя був при ньому й сказав: Та й що вони будують? Якщо вийде лисиця, то вона зробить дірку в їхній камінній стіні!... Почуй, Боже наш, що ми стали погордою, і поверни їхню ганьбу на голову їхню, і дай їх на здобич у край полону! І не закрий їхньої провини, а їхній гріх нехай не буде стертий з-перед лиця Твого, бо вони образили будівничих! І збудували ми того мура, і був пов'язаний увесь той мур аж до половини його. А серце народу було, щоб далі робити!