Psalms 63

Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA รด, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
O God, thou art my God; early will I seek thee: my soul thirsteth for thee, my flesh longeth for thee in a dry and thirsty land, where no water is;
Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
To see thy power and thy glory, so as I have seen thee in the sanctuary.
Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
Because thy lovingkindness is better than life, my lips shall praise thee.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Thus will I bless thee while I live: I will lift up my hands in thy name.
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
My soul shall be satisfied as with marrow and fatness; and my mouth shall praise thee with joyful lips:
Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
When I remember thee upon my bed, and meditate on thee in the night watches.
Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
Because thou hast been my help, therefore in the shadow of thy wings will I rejoice.
Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
My soul followeth hard after thee: thy right hand upholdeth me.
Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
But those that seek my soul, to destroy it, shall go into the lower parts of the earth.
Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.
They shall fall by the sword: they shall be a portion for foxes.
Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
But the king shall rejoice in God; every one that sweareth by him shall glory: but the mouth of them that speak lies shall be stopped.