II Samuel 20

Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry Isiraely ô.
ושם נקרא איש בליעל ושמו שבע בן בכרי איש ימיני ויתקע בשפר ויאמר אין לנו חלק בדוד ולא נחלה לנו בבן ישי איש לאהליו ישראל׃
Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
ויעל כל איש ישראל מאחרי דוד אחרי שבע בן בכרי ואיש יהודה דבקו במלכם מן הירדן ועד ירושלם׃
Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
ויבא דוד אל ביתו ירושלם ויקח המלך את עשר נשים פלגשים אשר הניח לשמר הבית ויתנם בית משמרת ויכלכלם ואליהם לא בא ותהיינה צררות עד יום מתן אלמנות חיות׃
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
ויאמר המלך אל עמשא הזעק לי את איש יהודה שלשת ימים ואתה פה עמד׃
Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
וילך עמשא להזעיק את יהודה וייחר מן המועד אשר יעדו׃
Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
ויאמר דוד אל אבישי עתה ירע לנו שבע בן בכרי מן אבשלום אתה קח את עבדי אדניך ורדף אחריו פן מצא לו ערים בצרות והציל עיננו׃
Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
ויצאו אחריו אנשי יואב והכרתי והפלתי וכל הגברים ויצאו מירושלם לרדף אחרי שבע בן בכרי׃
Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
הם עם האבן הגדולה אשר בגבעון ועמשא בא לפניהם ויואב חגור מדו לבשו ועלו חגור חרב מצמדת על מתניו בתערה והוא יצא ותפל׃
Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
ויאמר יואב לעמשא השלום אתה אחי ותחז יד ימין יואב בזקן עמשא לנשק לו׃
Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
ועמשא לא נשמר בחרב אשר ביד יואב ויכהו בה אל החמש וישפך מעיו ארצה ולא שנה לו וימת ויואב ואבישי אחיו רדף אחרי שבע בן בכרי׃
Ary ny zatovon'i Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
ואיש עמד עליו מנערי יואב ויאמר מי אשר חפץ ביואב ומי אשר לדוד אחרי יואב׃
Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
ועמשא מתגלל בדם בתוך המסלה וירא האיש כי עמד כל העם ויסב את עמשא מן המסלה השדה וישלך עליו בגד כאשר ראה כל הבא עליו ועמד׃
Ary nony nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
כאשר הגה מן המסלה עבר כל איש אחרי יואב לרדף אחרי שבע בן בכרי׃
Ary izy nandeha namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
ויעבר בכל שבטי ישראל אבלה ובית מעכה וכל הברים ויקלהו ויבאו אף אחריו׃
Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
ויבאו ויצרו עליו באבלה בית המעכה וישפכו סללה אל העיר ותעמד בחל וכל העם אשר את יואב משחיתם להפיל החומה׃
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
ותקרא אשה חכמה מן העיר שמעו שמעו אמרו נא אל יואב קרב עד הנה ואדברה אליך׃
Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
ויקרב אליה ותאמר האשה האתה יואב ויאמר אני ותאמר לו שמע דברי אמתך ויאמר שמע אנכי׃
Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
ותאמר לאמר דבר ידברו בראשנה לאמר שאל ישאלו באבל וכן התמו׃
Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?
אנכי שלמי אמוני ישראל אתה מבקש להמית עיר ואם בישראל למה תבלע נחלת יהוה׃
Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
ויען יואב ויאמר חלילה חלילה לי אם אבלע ואם אשחית׃
Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
לא כן הדבר כי איש מהר אפרים שבע בן בכרי שמו נשא ידו במלך בדוד תנו אתו לבדו ואלכה מעל העיר ותאמר האשה אל יואב הנה ראשו משלך אליך בעד החומה׃
Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
ותבוא האשה אל כל העם בחכמתה ויכרתו את ראש שבע בן בכרי וישלכו אל יואב ויתקע בשופר ויפצו מעל העיר איש לאהליו ויואב שב ירושלם אל המלך׃
Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
ויואב אל כל הצבא ישראל ובניה בן יהוידע על הכרי ועל הפלתי׃
ary Adorama no komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
ואדרם על המס ויהושפט בן אחילוד המזכיר׃
ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
ושיא ספר וצדוק ואביתר כהנים׃
ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.
וגם עירא היארי היה כהן לדוד׃