I Samuel 23

Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
ויגדו לדוד לאמר הנה פלשתים נלחמים בקעילה והמה שסים את הגרנות׃
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
וישאל דוד ביהוה לאמר האלך והכיתי בפלשתים האלה ויאמר יהוה אל דוד לך והכית בפלשתים והושעת את קעילה׃
Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?
ויאמרו אנשי דוד אליו הנה אנחנו פה ביהודה יראים ואף כי נלך קעלה אל מערכות פלשתים׃
Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
ויוסף עוד דוד לשאל ביהוה ויענהו יהוה ויאמר קום רד קעילה כי אני נתן את פלשתים בידך׃
Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
וילך דוד ואנשו קעילה וילחם בפלשתים וינהג את מקניהם ויך בהם מכה גדולה וישע דוד את ישבי קעילה׃
Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
ויהי בברח אביתר בן אחימלך אל דוד קעילה אפוד ירד בידו׃
Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
ויגד לשאול כי בא דוד קעילה ויאמר שאול נכר אתו אלהים בידי כי נסגר לבוא בעיר דלתים ובריח׃
Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.
וישמע שאול את כל העם למלחמה לרדת קעילה לצור אל דוד ואל אנשיו׃
Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
וידע דוד כי עליו שאול מחריש הרעה ויאמר אל אביתר הכהן הגישה האפוד׃
Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
ויאמר דוד יהוה אלהי ישראל שמע שמע עבדך כי מבקש שאול לבוא אל קעילה לשחת לעיר בעבורי׃
Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
היסגרני בעלי קעילה בידו הירד שאול כאשר שמע עבדך יהוה אלהי ישראל הגד נא לעבדך ויאמר יהוה ירד׃
Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
ויאמר דוד היסגרו בעלי קעילה אתי ואת אנשי ביד שאול ויאמר יהוה יסגירו׃
Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
ויקם דוד ואנשיו כשש מאות איש ויצאו מקעלה ויתהלכו באשר יתהלכו ולשאול הגד כי נמלט דוד מקעילה ויחדל לצאת׃
Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
וישב דוד במדבר במצדות וישב בהר במדבר זיף ויבקשהו שאול כל הימים ולא נתנו אלהים בידו׃
Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
וירא דוד כי יצא שאול לבקש את נפשו ודוד במדבר זיף בחרשה׃
Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.
ויקם יהונתן בן שאול וילך אל דוד חרשה ויחזק את ידו באלהים׃
Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.
ויאמר אליו אל תירא כי לא תמצאך יד שאול אבי ואתה תמלך על ישראל ואנכי אהיה לך למשנה וגם שאול אבי ידע כן׃
Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
ויכרתו שניהם ברית לפני יהוה וישב דוד בחרשה ויהונתן הלך לביתו׃
Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
ויעלו זפים אל שאול הגבעתה לאמר הלוא דוד מסתתר עמנו במצדות בחרשה בגבעת החכילה אשר מימין הישימון׃
Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
ועתה לכל אות נפשך המלך לרדת רד ולנו הסגירו ביד המלך׃
Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
ויאמר שאול ברוכים אתם ליהוה כי חמלתם עלי׃
Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
לכו נא הכינו עוד ודעו וראו את מקומו אשר תהיה רגלו מי ראהו שם כי אמר אלי ערום יערם הוא׃
Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
וראו ודעו מכל המחבאים אשר יתחבא שם ושבתם אלי אל נכון והלכתי אתכם והיה אם ישנו בארץ וחפשתי אתו בכל אלפי יהודה׃
Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.
ויקומו וילכו זיפה לפני שאול ודוד ואנשיו במדבר מעון בערבה אל ימין הישימון׃
Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
וילך שאול ואנשיו לבקש ויגדו לדוד וירד הסלע וישב במדבר מעון וישמע שאול וירדף אחרי דוד מדבר מעון׃
Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
וילך שאול מצד ההר מזה ודוד ואנשיו מצד ההר מזה ויהי דוד נחפז ללכת מפני שאול ושאול ואנשיו עטרים אל דוד ואל אנשיו לתפשם׃
Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
ומלאך בא אל שאול לאמר מהרה ולכה כי פשטו פלשתים על הארץ׃
Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.
וישב שאול מרדף אחרי דוד וילך לקראת פלשתים על כן קראו למקום ההוא סלע המחלקות׃
ויעל דוד משם וישב במצדות עין גדי׃