Leviticus 9

Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
到了第八天,摩西召了亚伦和他儿子,并以色列的众长老来,
Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
对亚伦说:「你当取牛群中的一只公牛犊作赎罪祭,一只公绵羊作燔祭,都要没有残疾的,献在耶和华面前。
Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
你也要对以色列人说:『你们当取一只公山羊作赎罪祭,又取一只牛犊和一只绵羊羔,都要一岁、没有残疾的,作燔祭,
ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
又取一只公牛,一只公绵羊作平安祭,献在耶和华面前,并取调油的素祭,因为今天耶和华要向你们显现。』
Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
于是他们把摩西所吩咐的,带到会幕前;全会众都近前来,站在耶和华面前。
Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i Jehovah.
摩西说:「这是耶和华吩咐你们所当行的;耶和华的荣光就要向你们显现」。
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.
摩西对亚伦说:「你就近坛前,献你的赎罪祭和燔祭,为自己与百姓赎罪,又献上百姓的供物,为他们赎罪,都照耶和华所吩咐的。」
Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.
于是,亚伦就近坛前,宰了为自己作赎罪祭的牛犊。
Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;
亚伦的儿子把血奉给他,他就把指头蘸在血中,抹在坛的四角上,又把血倒在坛脚那里。
fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;
惟有赎罪祭的脂油和腰子,并肝上取的网子,都烧在坛上,是照耶和华所吩咐摩西的;
ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
又用火将肉和皮烧在营外。
Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
亚伦宰了燔祭牲,他儿子把血递给他,他就洒在坛的周围,
Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
又把燔祭一块一块的、连头递给他,他都烧在坛上;
Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.
又洗了脏腑和腿,烧在坛上的燔祭上。
Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
他奉上百姓的供物,把那给百姓作赎罪祭的公山羊宰了,为罪献上,和先献的一样;
Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
也奉上燔祭,照例而献。
Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
他又奉上素祭,从其中取一满把,烧在坛上;这是在早晨的燔祭以外。
Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
亚伦宰了那给百姓作平安祭的公牛和公绵羊。他儿子把血递给他,他就洒在坛的周围;
Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
又把公牛和公绵羊的脂油、肥尾巴,并盖脏的脂油与腰子,和肝上的网子,都递给他;
dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;
把脂油放在胸上,他就把脂油烧在坛上。
fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.
胸和右腿,亚伦当作摇祭,在耶和华面前摇一摇,都是照摩西所吩咐的。
Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
亚伦向百姓举手,为他们祝福。他献了赎罪祭、燔祭、平安祭就下来了。
Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
摩西、亚伦进入会幕,又出来为百姓祝福,耶和华的荣光就向众民显现。
Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
有火从耶和华面前出来,在坛上烧尽燔祭和脂油;众民一见,就都欢呼,俯伏在地。