I Corinthians 5

Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
风闻在你们中间有淫乱的事。这样的淫乱连外邦人中也没有,就是有人收了他的继母。
Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
你们还是自高自大,并不哀痛,把行这事的人从你们中间赶出去。
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
我身子虽不在你们那里,心却在你们那里,好像我亲自与你们同在,已经判断了行这事的人。
amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika -
就是你们聚会的时候,我的心也同在。奉我们主耶稣的名,并用我们主耶稣的权能,
hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo.
要把这样的人交给撒但,败坏他的肉体,使他的灵魂在主耶稣的日子可以得救。
Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
你们这自夸是不好的。岂不知一点面酵能使全团发起来吗?
Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
你们既是无酵的面,应当把旧酵除净,好使你们成为新团;因为我们逾越节的羔羊基督已经被杀献祭了。
ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
所以,我们守这节不可用旧酵,也不可用恶毒(或作:阴毒)、邪恶的酵,只用诚实真正的无酵饼。
Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;
我先前写信给你们说,不可与淫乱的人相交。
nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.
此话不是指这世上一概行淫乱的,或贪婪的,勒索的,或拜偶像的;若是这样,你们除非离开世界方可。
Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
但如今我写信给你们说,若有称为弟兄是行淫乱的,或贪婪的,或拜偶像的,或辱骂的,或醉酒的,或勒索的,这样的人不可与他相交,就是与他吃饭都不可。
Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
因为审判教外的人与我何干?教内的人岂不是你们审判的吗?
Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
至于外人有 神审判他们。你们应当把那恶人从你们中间赶出去。