I Corinthians 4

Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay.
人应当以我们为基督的执事,为 神奥祕事的管家。
Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
所求于管家的,是要他有忠心。
Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
我被你们论断,或被别人论断,我都以为极小的事;连我自己也不论断自己。
Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
我虽不觉得自己有错,却也不能因此得以称义;但判断我的乃是主。
koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
所以,时候未到,什么都不要论断,只等主来,他要照出暗中的隐情,显明人心的意念。那时,各人要从 神那里得著称讚。
Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
弟兄们,我为你们的缘故,拿这些事转比自己和亚波罗,叫你们效法我们不可过于圣经所记,免得你们自高自大,贵重这个,轻看那个。
Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
使你与人不同的是谁呢?你有什么不是领受的呢?若是领受的,为何自夸,彷彿不是领受的呢?
Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
你们已经饱足了!已经丰富了!不用我们,自己就作王了!我愿意你们果真作王,叫我们也得与你们一同作王。
Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
我想 神把我们使徒明明列在末后,好像定死罪的囚犯;因为我们成了一台戏,给世人和天使观看。
Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
我们为基督的缘故算是愚拙的,你们在基督里倒是聪明的;我们软弱,你们倒强壮;你们有荣耀,我们倒被藐视。
Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
直到如今,我们还是又饥又渴,又赤身露体,又挨打,又没有一定的住处,
Ary misasatra miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
并且劳苦,亲手做工。被人咒骂,我们就祝福;被人逼迫,我们就忍受;
raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
被人毁谤,我们就善劝。直到如今,人还把我们看作世界上的污秽,万物中的渣滓。
Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
我写这话,不是叫你们羞愧,乃是警戒你们,好像我所亲爱的儿女一样。
Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
你们学基督的,师傅虽有一万,为父的却是不多,因我在基督耶稣里用福音生了你们。
Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
所以,我求你们效法我。
Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
因此我已打发提摩太到你们那里去。他在主里面,是我所亲爱,有忠心的儿子。他必提醒你们,记念我在基督里怎样行事,在各处各教会中怎样教导人。
Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
有些人自高自大,以为我不到你们那里去;
Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
然而,主若许我,我必快到你们那里去,并且我所要知道的,不是那些自高自大之人的言语,乃是他们的权能。
Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.
因为 神的国不在乎言语,乃在乎权能。
Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
你们愿意怎么样呢?是愿意我带著刑杖到你们那里去呢?还是要我存慈爱温柔的心呢?