Psalms 75

למנצח אל תשחת מזמור לאסף שיר הודינו לך אלהים הודינו וקרוב שמך ספרו נפלאותיך׃
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
כי אקח מועד אני מישרים אשפט׃
Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
נמגים ארץ וכל ישביה אנכי תכנתי עמודיה סלה׃
Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
אמרתי להוללים אל תהלו ולרשעים אל תרימו קרן׃
Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
אל תרימו למרום קרנכם תדברו בצואר עתק׃
Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
כי לא ממוצא וממערב ולא ממדבר הרים׃
Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
כי אלהים שפט זה ישפיל וזה ירים׃
Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
כי כוס ביד יהוה ויין חמר מלא מסך ויגר מזה אך שמריה ימצו ישתו כל רשעי ארץ׃
Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.
ואני אגיד לעלם אזמרה לאלהי יעקב׃
Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.
וכל קרני רשעים אגדע תרוממנה קרנות צדיק׃
Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.