Psalms 6

למנצח בנגינות על השמינית מזמור לדוד יהוה אל באפך תוכיחני ואל בחמתך תיסרני׃
Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
חנני יהוה כי אמלל אני רפאני יהוה כי נבהלו עצמי׃
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
ונפשי נבהלה מאד ואת יהוה עד מתי׃
Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
שובה יהוה חלצה נפשי הושיעני למען חסדך׃
Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
כי אין במות זכרך בשאול מי יודה לך׃
Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?
יגעתי באנחתי אשחה בכל לילה מטתי בדמעתי ערשי אמסה׃
Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
עששה מכעס עיני עתקה בכל צוררי׃
Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
סורו ממני כל פעלי און כי שמע יהוה קול בכיי׃
Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
שמע יהוה תחנתי יהוה תפלתי יקח׃
Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
יבשו ויבהלו מאד כל איבי ישבו יבשו רגע׃
Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.