Psalms 141

מזמור לדוד יהוה קראתיך חושה לי האזינה קולי בקראי לך׃
Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
תכון תפלתי קטרת לפניך משאת כפי מנחת ערב׃
Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
שיתה יהוה שמרה לפי נצרה על דל שפתי׃
Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
אל תט לבי לדבר רע להתעולל עללות ברשע את אישים פעלי און ובל אלחם במנעמיהם׃
Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
יהלמני צדיק חסד ויוכיחני שמן ראש אל יני ראשי כי עוד ותפלתי ברעותיהם׃
Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
נשמטו בידי סלע שפטיהם ושמעו אמרי כי נעמו׃
Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
כמו פלח ובקע בארץ נפזרו עצמינו לפי שאול׃
Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita.
כי אליך יהוה אדני עיני בכה חסיתי אל תער נפשי׃
Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
שמרני מידי פח יקשו לי ומקשות פעלי און׃
Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.
יפלו במכמריו רשעים יחד אנכי עד אעבור׃
Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.