Numbers 13

耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
「你打发人去窥探我所赐给以色列人的迦南地,他们每支派中要打发一个人,都要作首领的。」
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
摩西就照耶和华的吩咐,从巴兰的旷野打发他们去;他们都是以色列人的族长。
Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
他们的名字:属流便支派的有撒刻的儿子沙母亚。
Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
属西缅支派的有何利的儿子的沙法。
avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
属犹大支派的有耶孚尼的儿子迦勒。
avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
属以萨迦支派的有约色的儿子以迦。
avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
属以法莲支派的有嫩的儿子何西阿。
avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
属便雅悯支派的有拉孚的儿子帕提。
avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
属西布伦支派的有梭底的儿子迦叠。
avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
约瑟的子孙属玛拿西支派的有稣西的儿子迦底。
avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
属但支派的有基玛利的儿子亚米利。
avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
属亚设支派的有米迦勒的儿子西帖。
avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
属拿弗他利支派的有缚西的儿子拿比。
avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
属迦得支派的有玛基的儿子臼利。
avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
这就是摩西所打发窥探那地之人的名字。摩西就称嫩的儿子何西阿为约书亚。
Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
摩西打发他们去窥探迦南地,说:「你们从南地上山地去,
Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
看那地如何,其中所住的民是强是弱,是多是少,
dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
所住之地是好是歹,所住之处是营盘是坚城。
ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
又看那地土是肥美是瘠薄,其中有树木没有。你们要放开胆量,把那地的果子带些来。」﹙那时正是葡萄初熟的时候。﹚
ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
他们上去窥探那地,从寻的旷野到利合,直到哈马口。
Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
他们从南地上去,到了希伯崙;在那里有亚衲族人亚希幔、示筛、挞买。原来希伯崙城被建造比埃及的锁安城早七年。
Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
他们到了以实各谷,从那里砍了葡萄树的一枝,上头有一挂葡萄,两个人用杠抬著,又带了些石榴和无花果来。
Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
﹙因为以色列人从那里砍来的那挂葡萄,所以那地方叫做以实各谷。﹚
Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
过了四十天,他们窥探那地才回来,
Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
到了巴兰旷野的加低斯,见摩西、亚伦,并以色列的全会众,回报摩西、亚伦,并全会众,又把那地的果子给他们看;
Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
又告诉摩西说:「我们到了你所打发我们去的那地,果然是流奶与蜜之地;这就是那地的果子。
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
然而住那地的民强壮,城邑也坚固宽大,并且我们在那里看见了亚衲族的人。
Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
亚玛力人住在南地;赫人、耶布斯人、亚摩利人、住在山地;迦南人住在海边并约旦河旁。」
Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
迦勒在摩西面前安抚百姓,说:「我们立刻上去得那地吧!我们足能得胜。」
Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
但那些和他同去的人说:「我们不能上去攻击那民,因为他们比我们强壮。」
Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
探子中有人论到所窥探之地,向以色列人报恶信,说:「我们所窥探、经过之地是吞吃居民之地,我们在那里所看见的人民都身量高大。
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
我们在那里看见亚衲族人,就是伟人;他们是伟人的后裔。据我们看,自己就如蚱蜢一样;据他们看,我们也是如此。」
ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.