Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.