James 2

我的弟兄们,你们信奉我们荣耀的主耶稣基督,便不可按著外貌待人。
Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.
若有一个人带著金戒指,穿著华美衣服,进你们的会堂去;又有一个穷人穿著肮脏衣服也进去;
Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
你们就重看那穿华美衣服的人,说「请坐在这好位上」;又对那穷人说:「你站在那里」,或「坐在我脚凳下边。」
koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
这岂不是你们偏心待人,用恶意断定人吗?
moa tsy miangatra va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
我亲爱的弟兄们,请听, 神岂不是拣选了世上的贫穷人,叫他们在信上富足,并承受他所应许给那些爱他之人的国吗?
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
你们反倒羞辱贫穷人。那富足人岂不是欺压你们、拉你们到公堂去吗?
Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
他们不是亵渎你们所敬奉(所敬奉:或作被称)的尊名吗?
Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
经上记著说:「要爱人如己。」你们若全守这至尊的律法,才是好的。
Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo.
但你们若按外貌待人,便是犯罪,被律法定为犯法的。
Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
因为凡遵守全律法的,只在一条上跌倒,他就是犯了众条。
Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra.
原来那说「不可奸淫」的,也说「不可杀人」;你就是不奸淫,却杀人,仍是成了犯律法的。
Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
你们既然要按使人自由的律法受审判,就该照这律法说话行事。
Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
因为那不怜悯人的,也要受无怜悯的审判;怜悯原是向审判夸胜。
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
我的弟兄们,若有人说自己有信心,却没有行为,有什么益处呢?这信心能救他么?
Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
若是弟兄或是姊妹,赤身露体,又缺了日用的饮食;
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,
你们中间有人对他们说:「平平安安的去吧!愿你们穿得暖,吃得饱」;却不给他们身体所需用的,这有什么益处呢?
ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?
这样,信心若没有行为就是死的。
Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
必有人说:「你有信心,我有行为;你将你没有行为的信心指给我看,我便借著我的行为,将我的信心指给你看。」
Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
你信 神只有一位,你信的不错;鬼魔也信,却是战惊。
Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
虚浮的人哪,你愿意知道没有行为的信心是死的吗?
Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
我们的祖宗亚伯拉罕把他儿子以撒献在坛上,岂不是因行为称义吗?
Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?
可见,信心是与他的行为并行,而且信心因著行为才得成全。
Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;
这就应验经上所说:「亚伯拉罕信 神,这就算为他的义。」他又得称为 神的朋友。
ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
这样看来,人称义是因著行为,不是单因著信。
Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
妓女喇合接待使者,又放他们从别的路上出去,不也是一样因行为称义吗?
Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?
身体没有灵魂是死的,信心没有行为也是死的。
Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.