Genesis 44

约瑟吩咐家宰说:「把粮食装满这些人的口袋,尽著他们的驴所能驮的,又把各人的银子放在各人的口袋里,
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
并将我的银杯和那少年人籴粮的银子一同装在他的口袋里。」家宰就照约瑟所说的话行了;
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
天一亮就打发那些人带著驴走了。
Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
他们出城走了不远,约瑟对家宰说:「起来,追那些人去,追上了就对他们说:『你们为什么以恶报善呢?
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
这不是我主人饮酒的杯吗?岂不是他占卜用的吗?你们这样行是作恶了。』」
Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
家宰追上他们,将这些话对他们说了。
Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
他们回答说:「我主为什么说这样的话呢?你仆人断不能作这样的事。
Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
你看,我们从前在口袋里所见的银子,尚且从迦南地带来还你,我们怎能从你主人家里偷窃金银呢?
Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
你仆人中无论在谁那里搜出来,就叫他死,我们也作我主的奴仆。」
Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
家宰说:「现在就照你们的话行吧!在谁那里搜出来,谁就作我的奴仆;其余的都没有罪。」
Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
于是他们各人急忙把口袋卸在地下,各人打开口袋。
Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
家宰就搜查,从年长的起到年幼的为止,那杯竟在便雅悯的口袋里搜出来。
Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
他们就撕裂衣服,各人把驮子抬在驴上,回城去了。
Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
犹大和他弟兄们来到约瑟的屋中,约瑟还在那里,他们就在他面前俯伏于地。
Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany.
约瑟对他们说:「你们作的是什么事呢?你们岂不知像我这样的人必能占卜吗?」
Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
犹大说:「我们对我主说什么呢?还有什么话可说呢?我们怎能自己表白出来呢? 神已经查出仆人的罪孽了。我们与那在他手中搜出杯来的都是我主的奴仆。」
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
约瑟说:「我断不能这样行!在谁的手中搜出杯来,谁就作我的奴仆;至于你们,可以平平安安地上你们父亲那里去。」
Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.
犹大挨近他,说:「我主啊,求你容仆人说一句话给我主听,不要向仆人发烈怒,因为你如同法老一样。
Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
我主曾问仆人们说:『你们有父亲有兄弟没有?』
Itompo­kolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
我们对我主说:『我们有父亲,已经年老,还有他老年所生的一个小孩子。他哥哥死了,他母亲只撇下他一人,他父亲疼爱他。』
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
你对仆人说:『把他带到我这里来,叫我亲眼看看他。』
Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
我们对我主说:『童子不能离开他父亲,若是离开,他父亲必死。』
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
你对仆人说:『你们的小兄弟若不与你们一同下来,你们就不得再见我的面。』
Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
我们上到你仆人─我们父亲那里,就把我主的话告诉了他。
Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.
我们的父亲说:『你们再去给我籴些粮来。』
Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
我们就说:『我们不能下去。我们的小兄弟若和我们同往,我们就可以下去。因为,小兄弟若不与我们同往,我们必不得见那人的面。』
Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
你仆人─我父亲对我们说:『你们知道我的妻子给我生了两个儿子。
Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
一个离开我出去了;我说他必是被撕碎了,直到如今我也没有见他。
fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
现在你们又要把这个带去离开我,倘若他遭害,那便是你们使我白发苍苍、悲悲惨惨地下阴间去了。』
ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
我父亲的命与这童子的命相连。如今我回到你仆人─我父亲那里,若没有童子与我们同在,
Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),
我们的父亲见没有童子,他就必死。这便是我们使你仆人─我们的父亲白发苍苍、悲悲惨惨地下阴间去了。
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
因为仆人曾向我父亲为这童子作保,说:『我若不带他回来交给父亲,我便在父亲面前永远担罪。』
Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.
现在求你容仆人住下,替这童子作我主的奴仆,叫童子和他哥哥们一同上去。
Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
若童子不和我同去,我怎能上去见我父亲呢?恐怕我看见灾祸临到我父亲身上。」
Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.