I Timothy 3

人若想要得监督的职分,就是羨慕善工。这话是可信的。
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
作监督的,必须无可指责,只作一个妇人的丈夫,有节制,自守,端正,乐意接待远人,善于教导;
Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
不因酒滋事,不打人,只要温和,不争竞,不贪财;
tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
好好管理自己的家,使儿女凡事端庄顺服(或作:端端庄庄地使儿女顺服)。
manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
人若不知道管理自己的家,焉能照管 神的教会呢?
(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan'Andriamanitra?),
初入教的不可作监督,恐怕他自高自大,就落在魔鬼所受的刑罚里。
tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.
监督也必须在教外有好名声,恐怕被人毁谤,落在魔鬼的网罗里。
Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
作执事的,也是如此:必须端庄,不一口两舌,不好喝酒,不贪不义之财;
Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
要存清洁的良心,固守真道的奥祕。
mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
这等人也要先受试验,若没有可责之处,然后叫他们作执事。
Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
女执事(原文是女人)也是如此:必须端庄,不说谗言,有节制,凡事忠心。
Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
执事只要作一个妇人的丈夫,好好管理儿女和自己的家。
Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
因为善作执事的,自己就得到美好的地步,并且在基督耶稣里的真道上大有胆量。
Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
我指望快到你那里去,所以先将这些事写给你。
Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
倘若我耽延日久,你也可以知道在 神的家中当怎样行。这家就是永生 神的教会,真理的柱石和根基。
fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.
大哉,敬虔的奥祕!无人不以为然:就是 神在肉身显现,被圣灵称义(或作:在灵性称义),被天使看见,被传于外邦,被世人信服,被接在荣耀里。
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra.