I Timothy 2

我劝你,第一要为万人恳求、祷告、代求、祝谢;
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,
为君王和一切在位的,也该如此,使我们可以敬虔、端正、平安无事的度日。
ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
这是好的,在 神我们救主面前可蒙悦纳。
Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
他愿意万人得救,明白真道。
Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
因为只有一位 神,在 神和人中间,只有一位中保,乃是降世为人的基督耶稣;
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
他舍自己作万人的赎价,到了时候,这事必证明出来。
sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.
我为此奉派作传道的,作使徒,作外邦人的师傅,教导他们相信,学习真道。我说的是真话,并不是谎言。
Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
我愿男人无忿怒,无争论(或作:疑惑),举起圣洁的手,随处祷告。
Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.
又愿女人廉耻、自守,以正派衣裳为妆饰,不以编发、黄金、珍珠,和贵价的衣裳为妆饰;
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
只要有善行,这才与自称是敬 神的女人相宜。
fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
女人要沉静学道,一味的顺服。
Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
我不许女人讲道,也不许她辖管男人,只要沉静。
Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
因为先造的是亚当,后造的是夏娃;
Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
且不是亚当被引诱,乃是女人被引诱,陷在罪里。
Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
然而,女人若常存信心、爱心,又圣洁自守,就必在生产上得救。
Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.