Psalms 120

Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,
Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy.
Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.
Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.