Psalms 121

Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.