Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.
Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).
Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.