Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.