Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,
ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.
Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.
Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.