Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.