Psalms 150

Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.
Aleluya. ALABAD á Dios en su santuario: Alabadle en la extensión de su fortaleza.
Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
Alabadle por sus proezas: Alabadle conforme á la muchedumbre de su grandeza.
Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
Alabadle á son de bocina: Alabadle con salterio y arpa.
Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
Alabadle con adufe y flauta: Alabadle con cuerdas y órgano.
Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
Alabadle con címbalos resonantes: Alabadle con címbalos de júbilo.
Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.
Todo lo que respira alabe á JAH. Aleluya.