Judges 15

Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
Otiia i muri iho, na ka haere a Hamahona, me tetahi kuao koati, i te wa o te kotinga witi, kia kite i tana wahine, a ka mea, Ka haere ahau ki taku wahine ki roto ki te whare moenga. Otiia kihai ia i tukua e te papa o te wahine kia haere ki roto.
fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
I mea hoki tona papa, i tino mea ahau e kino rawa ana koe ki a ia; na hoatu ana ia e ahau ma tou hoa; kahore ianei tona teina e pai atu i a ia? Tena kia riro tenei i a koe hei utu mo tera.
Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
Na ka mea a Hamahona ki a ratou, Engari i tenei, ka kore hara ahau ki nga Pirihitini, ina tukino ahau ki a ratou.
Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
Na haere ana a Hamahona, a hopukia ana e ia e toru rau nga pokiha; katahi ka tikina etahi rama e ia, a whakaangahia atu ana nga hiawero ki a raua whaka hiawero, a whakanohoia iho he rama ki waenganui o nga hiawero e rua.
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
Na ka tahuna e ia nga rama, a tukua atu ana ki te witi a nga Pirihitini, wera ake nga puranga witi, me nga mea ano e tu ana; nga mara waina, oriwa ano hoki.
Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
A ka ki nga Pirihitini, Na wai tenei mahi? na ka korerotia, Na Hamahona hunaonga a te Timini; mona i tango i tana wahine, a hoatu ana ki tona hoa. Katahi ka haere nga Pirihitini, a tahuna ake e ratou te wahine raua ko tona papa ki te ahi.
Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
Na ka mea a Hamahona ki a ratou, Ahakoa kua meatia tenei e koutou, he pono ka rapu utu ano ahau i a koutou, a muri iho ka mutu taku.
Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
Na tukitukia ana ratou e ia, te papa, te huha, he nui te patunga, a haere ana, noho ana i te kapiti o te kamaka i Etama.
Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
Katahi ka haere nga Pirihitini, noho ana i Hura, tohatoha noa atu i Rehi.
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
Na ka mea nga tangata o Hura, He aha koutou i haere mai ai ki a matou? Na ka mea ratou, He here i a Hamahona i haere mai ai matou, kia meatia ki a ia tana i mea ai ki a matou.
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
Katahi ka haere etahi tangata o Hura, e toru nga mano, ki te kapiti o te kohatu i Etama, ka mea ki a Hamahona, Kahore ianei koe e mohio he rangatira no tatou nga Pirihitini? he mahi aha tenei nau ki a matou? Na ka mea ia ki a ratou, Rite tonu ki ta ratou i mea mai ai ki ahau, taku i mea ai ki a ratou.
Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
Na ka mea ratou ki a ia, He here i a koe i haere mai ai matou, kia hoatu koe ki te ringa o nga Pirihitini. Na ka mea a Hamahona ki a ratou, Oati mai ki ahau e kore koutou na e rere ki runga ki ahau.
Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
Na ka korero ratou ki a ia, ka mea, Kahore; erangi me ata here koe e matou, a ka hoatu koe ki to ratou ringa: ko te whakamate ia, e kore matou e whakamate i a koe. Na ka herea ia e ratou ki nga taura hou e rua, a kawea atu ana i te kamaka.
Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
I tona taenga ki Rehi, na ka hamama nga Pirihitini i te tutakitanga ki a ia. Ko te tino putanga o te wairua o Ihowa ki runga ki a ia: na rite tonu nga taura i ona ringa ki te muka kua wera i te ahi; harotu noa iho nga here o ona ringa.
Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
Na kia pono ia ki tetahi kauae kaihe, he mea hou, a totoro atu ana tona ringa, tangohia ake ana; na kotahi mano tangata i patua e ia ki taua mea.
Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
Na ka mea a Hamahona, Na te kauae kaihe, puranga atu, puranga atu; na te kauae kaihe, patua iho e ahau kotahi mano tangata.
Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
A, i te mutunga o tana korero, na maka atu ana e ia te kauae i tona ringa, a huaina iho te ingoa o tena wahi, Ko Ramatarehi.
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
Na nui rawa tona matewai, a ka karanga ia ki a Ihowa, ka mea, Nau i homai tenei whakaoranga nui ki te ringa o tau pononga, a ka mate nei ahau i te matewai, ka hinga hoki i te ringa o te hunga kokotikore?
Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
Na ka wahia e te Atua he poka i Rehi, a ka puta mai he wai i reira. Katahi ka inu ia, a hoki ana tona wairua, na kua ora ia. Na reira i huaina ai to reira ingoa, Ko Enehakore: kei Rehi na ano a tae noa ki tenei ra.
Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.
Na e rua tekau nga tau i whakarite ai ia mo Iharaira i nga ra o nga Pirihitini.