II Kings 23

Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra.
Na ka unga tangata atu te kingi, a huihuia ana e ratou nga kaumatua katoa o Hura, o Hiruharama, ki a ia.
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
Na ka haere te kingi ki te whare o Ihowa, ratou ko nga tangata katoa o Hura, ko nga tangata katoa o Hiruharama, ko nga tohunga, ko nga poropiti, ko te iwi katoa hoki, te iti, te rahi. A korerotia ana e ia ki o ratou taringa nga kupu katoa o te pu kapuka o te kawenata i kitea nei ki te whare o Ihowa.
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Na tu ana te kingi ki te taha o te pou, a whakaritea ana e ia he kawenata ki te aroaro o Ihowa, ara kia whakapaua tona ngakau, tona wairua, ki te whai ki a Ihowa, ki te pupuri i ana whakahau, i ana whakaaturanga, i ana tikanga, ki te whakamana ho ki i nga kupu o tenei kawenata kua tuhituhia nei ki tenei pukapuka; a tu tonu te iwi katoa ki te kawenata.
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
Na ka whakahau te kingi ki te tino tohunga, ki a Hirikia, ki nga tohunga tuarua, ki nga kaitiaki kuwaha, kia whakaputaina ki waho o te temepara o Ihowa nga oko katoa i hanga ma Paara, mo te Ahera, ma te ope katoa ano hoki o te rangi. Na tahuna an a e ia aua mea ki waho o Hiruharama, ki nga mara i Kitirono, kawea ana nga pungarehu ki Peteere.
Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.
I whakakahoretia hoki e ia nga tohunga whakapakoko i whakaritea ra e nga kingi o Hura hei tahu whakakakara ki nga wahi tiketike i nga pa o Hura, a ki nga taha o Hiruharama, ratou ko nga kaitahu whakakakara ki a Paara, ki te ra, ki te marama, ki n ga whetu, ki te ope katoa hoki o te rangi.
Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
I mauria ano e ia te Ahera i roto i te whare o Ihowa ki waho o Hiruharama, ki te awa ki Kitirono, a tahuna ana ki te awa ki Kitirono, a tukia ana kia ririki, ano he puehu, maka ana te puehu o taua mea ki runga ki nga tanumanga o te iwi nui.
Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
I tukitukia ano e ia nga whare o te hunga whakahoroma i te taha o te whare o Ihowa, i te wahi i whatu ai nga wahine i nga pa mo te Ahera.
Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
A i whakaputaina e ia nga tohunga katoa i nga pa o Hura, whakapokea iho nga wahi tiketike i tahu whakakakara ai nga tohunga, o Kepa a tae noa ki Peerehepa; a i wahia e ia nga wahi tiketike o nga keti, era i te kuwaha o te keti o Hohua kawana o te pa, i te taha maui o te tangata i te keti o te pa.
Fa ny mpisorona tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny rahalahiny ihany izy.
Otiia kihai nga tohunga o nga wahi tiketike i haere ki te aata a Ihowa i Hiruharama; engari i kai ratou i te taro rewenakore i roto i o ratou teina.
Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
A i whakapokea e ia a Topete, tera i te raorao o nga tama a Hinomo, kei mea tetahi tangata kia tika tana tama, tana tamahine ranei, na waenganui i te ahi hei mea ki a Moreke.
Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.
I whakawateatia atu ano e ia nga hoiho i homai e nga kingi o Hura hei mea ki te ra, i te tomokanga o te whare o Ihowa, i te ruma o Natanamereke, o te kaitiaki ruma, i reira i waho ake; tahuna ana hoki e ia nga hariata o te ra ki te ahi.
Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Na, ko nga aata i te tuanui o te ruma o runga, o Ahata, i hanga ra e nga kingi o Hura, me nga aata i hanga e Manahi ki nga marae e rua e te whare o Ihowa, i tukitukia e te kingi, wahia iho i reira, maka ana te puehu o aua mea ki te awa ki Kitiro no.
Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
A, ko nga wahi tiketike, ko era i te ritenga atu o Hiruharama i te taha matau o te maunga o te whakangaromanga, i hanga nei e Horomona kingi o Iharaira ma Ahatorete, ma te mea whakarihariha a nga Haironi, ma Kemoho, ma te mea whakarihariha a nga Moapi, ma Mirikomo, ma te mea whakarihariha a nga tama a Amono, whakapokea iho era e te kingi.
Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.
I wawahia hoki e ia nga pou, i tapahia ki raro nga Aherimi, a whakakiia ana o ratou wahi ki nga whenua tangata.
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
Ko te aata hoki i Peteere, ko te wahi tiketike i hanga nei e Ieropoama tama a Nepata i hara ai a Iharaira, wahia iho ana e ia taua aata me te wahi tiketike; a tahuna ana e ia te wahi tiketike, tukia ana kia ririki, ano he puehu, a tahuna ana e i a te Ahera.
Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.
A, i a Hohia e tahuri ana, ka kite ia i nga tanumanga i reira, i te maunga; na ka tonoa e ia he tangata ki te tiki i nga whenua i roto i nga tanumanga, na tahuna ana e ia ki runga ki te aata, whakapokea iho e ia, hei whakarite mo te kupu a Ihowa i korerotia e te tangata a te Atua, i korero nei i enei kupu.
Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
Katahi ia ka mea, He aha tena tohu e kite atu nei ahau? Na ka mea nga tangata o te pa ki a ia, Ko te tanumanga ia o te tangata a te Atua i haere mai i Hura, a korerotia ana e ia enei mea kua meatia nei e koe ki te aata i Peteere.
Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay mpaminany avy tany Samaria.
Na ka mea ia, Waiho marie ia; kei whakakorikoria ona wheua e tetahi. Na kapea ake ana e ratou ona whenua me nga wheua o te poropiti i haere mai i Hamaria.
Ary ny trano rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
Na, ko nga whare katoa o nga wahi tiketike, ko era i nga pa o Hamaria, i hanga nei e nga kingi o Iharaira hei whakapataritari i a Ihowa, whakakahoretia ana e Hohia; rite tonu tana i mea ai ki aua whare ki nga mea katoa i mea ai ia ki Peteere.
Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
I patua ano hoki e ia nga tohunga katoa o nga wahi tiketike o reira ki runga ki nga aata, tahuna ana hoki nga wheua tangata ki runga ki aua aata, a hoki ana ki Hiruharama.
Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
Na ka whakahau te kingi ki te iwi katoa, ka mea, Mahia te kapenga hei mea ki a Ihowa, ki to koutou Atua; kia rite ki te mea i tuhituhia ki tenei pukapuka o te kawenata.
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda;
He pono kahore he rite mo tena mahinga i te kapenga, mai o nga ra i nga kaiwhakawa i whakarite mo Iharaira, o nga ra katoa i nga kingi o Iharaira, i nga kingi ano o Hura;
fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
Engari to te tekau ma waru o nga tau o Kingi Hohia, ara tenei kapenga i mahia nei ki a Ihowa ki Hiruharama.
Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
Na ko te hunga i whai ki nga atua maori, ki nga mata maori, ki nga terapimi, ki nga whakapakoko, ki nga mea whakarihariha katoa i kitea ki te whenua o Hura, ki Hiruharama, whakakahoretia iho e Hohia, kia mana ai i a ia nga kupu o te ture i tuhit uhia ki te pukapuka i kitea e Hirikia tohunga ki te whare o Ihowa.
Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
Na kahore he kingi i mua atu i a ia hei rite mona te whakapau o tona ngakau, o tona wairua, o tona kaha, ki te tahuri ki a Ihowa, rite tonu ki te ture katoa a Mohi; kahore hoki kia whakatika tetahi rite mona i muri i a ia.
Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
He ahakoa ra, kihai a Ihowa i tahuri ke i te muranga o tona riri nui i mura ai tona riri ki a Hura, mo nga whakapataritaringa katoa i whakapataritari ai a Manahi i a ia.
Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
Na ka mea a Ihowa, Ka whakawateatia atu e ahau a Hura hoki i toku aroaro, ka peratia me taku whakawateatanga i a Iharaira, a ka rukea atu e ahau tenei pa i whiriwhiria nei e ahau, a Hiruharama, me te whare i ki ra ahau, Me waiho toku ingoa ki ko nei.
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
Na, ko era atu meatanga a Hohia me ana mahi katoa, kihai ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
I ona ra ka haere a Parao Neko kingi o Ihipa ki te kingi o Ahiria ki te awa ki Uparati: na haere ana a Kingi Hohia ki te tu ki a ia; a whakamatea iho ia e tera ki Mekiro, i tona kitenga i a ia.
Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
Na ka mauria atu e ana tangata tona tinana i Mekiro i runga i te hariata, a kawea ana ki Hiruharama, tanumia iho ki tona tanumanga. Na ka mau te iwi o tera whenua ki a Iehoahata tama a Hohia, a whakawahia ana ia, meinga ana hei kingi i muri i to na papa.
Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
E rua tekau ma toru nga tau o Iehoahata i tona kingitanga; a e toru nga marama i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Hamutara, he tamahine na Heremaia o Ripina.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa; rite tonu ki nga mea katoa i mea ai ona matua.
Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Na herea ana ia e Parao Neko ki Ripira, ki te whenua o Hamata, kia kaua ia e kingi ki Hiruharama; a whakaritea ana e ia he takoha ki te whenua, kotahi rau taranata hiriwa, kotahi taranata koura.
Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
Na ka meatia e Parao Neko a Eriakimi tama a Hohia hei kingi i muri i tona papa, i a Hohia: whakawhitia ketia ake e ia tona ingoa ko Iehoiakimi; ko Iehoahata ia tangohia ana e ia, kawea ana ki Ihipa, a i mate atu ki reira.
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
Na ka hoatu e Iehoiakimi ki a Parao te hiriwa me te koura; otiia i takohatia e ia te whenua kia hoatu ai te moni i kiia nei e Parao. Tohea ana e ia te hiriwa me te koura ki te iwi o te whenua, te takoha a tenei, a tenei, hei hoatu mana ki a Para o Neko.
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.
E rua tekau ma rima nga tau o Iehoiakimi i tona kingitanga; a kotahi tekau ma tahi nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Tepura, he tamahine na Peraia o Ruma.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki nga mea katoa i mea ai ona matua.