II Kings 22

Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
E waru nga tau o Hohia i tona kingitanga, a e toru tekau ma tahi nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Ierira, he tamahine na Araia, no Pohokata.
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
A tika tonu tana mahi ki te titiro a Ihowa: i haere hoki ia i runga i nga ara katoa o tona tupuna o Rawiri, a kihai i peka ki matau, ki maui.
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
Na i te tekau ma waru o nga tau o Kingi Hohia ka unga e te kingi a Hapana tama a Ataria tama a Mehurama, te kaituhituhi, ki te whare o Ihowa; i mea ia,
Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
Haere ki a Hirikia ki te tino tohunga, kia huihuia e ia te moni e kawea ana mai ki roto ki te whare o Ihowa, ta nga kaitiaki o te kuwaha i tango ai i te iwi;
ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,
Ka hoatu ki nga ringa o nga kaimahi o te mahi, o nga kaitohutohu o te whare o Ihowa; a ma ratou e hoatu ki nga kaimahi o te mahi i te whare o Ihowa, hei hanga mo nga wahi pakaru o te whare;
dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
Ki nga kamura, ki nga kaihanga, ki nga kaimahi kohatu; a hei hoko i nga rakau, i nga kohatu tarai, hei hanga mo te whare.
Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
Otiia kihai i uiuia a ratou meatanga i te moni i hoatu nei ki o ratou ringa; he pono hoki ta ratou mahi.
Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
Na ka mea a Hirikia tino tohunga ki a Hapana kaituhituhi, Kua kitea e ahau te pukapuka o te ture i te whare o Ihowa. Na ka hoatu e Hirikia te pukapuka ki a Hapana, a korerotia ana e ia.
Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
Na ka haere a Hapana kaituhituhi ki te kingi, whakahokia ana te korero e ia ki te kingi, i mea ia, Kua ringiringihia e au pononga te moni i kitea ki te whare, a hoatu ana ki nga ringa o nga kaimahi i te mahi, o nga kaitohutohu i te whare o Ihowa.
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
Na ka whakaatu a Hapana kaituhituhi ki te kingi, ka mea, Kua homai e Hirikia tohunga he pukapuka ki ahau. Na korerotia ana e Hapana ki te aroaro o te kingi.
Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
A, no te rongonga o te kingi i nga kupu o te pukapuka o te ture, ka haea e ia ona kakahu.
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
Na ka whakahau te kingi ki te tohunga, ki a Hirikia, ratou ko Ahikama tama a Hapana, ko Akaporo tama a Mikaia, ko Hapana kaituhituhi, ko Ahaia tangata a te kingi, ka mea,
Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
Haere, ui atu ki a Ihowa moku, mo tenei iwi, mo Hura katoa hoki, he mea na nga kupu o tenei pukapuka kua kitea nei: he nui hoki te riri o Ihowa kua ngiha nei ki a tatou, no te mea kihai o tatou matua i rongo ki nga kupu o tenei pukapuka, kihai i mahi i nga mea katoa i tuhituhia hei mea ma tatou.
Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
Heoi haere ana a Hirikia tohunga ratou ko Ahikama, ko Akaporo, ko Hapana, ko Ahaia ki a Hurura, ki te wahine poropiti, wahine a Harumu kaitiaki kakahu, he tama hoki tera na Tikiwa tama a Harahaha: i Hiruharama hoki taua wahine e noho ana, i te w ahi tuarua. Na korero ana ratou ki a ia.
Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
Na ka mea ia ki a ratou, Ko te korero tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Mea atu ki te tangata nana koutou i unga mai ki ahau,
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
Ko ta Ihowa kupu tenei, Nana, ka kawea atu e ahau he kino ki runga ki tenei wahi, ki runga ano i ona tangata, ara nga kupu katoa o te pukapuka i korerotia na e te kingi o Hura;
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Mo ratou i whakarere i ahau, i tahu whakakakara ki nga atua ke, he whakapataritari hoki i ahau ki nga mahi katoa a o ratou ringa; koia i ngiha ai toku riri ki tenei wahi, a e kore e tineia.
Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,
Otiia me ki atu e koutou ki te kingi o Hura nana nei koutou i unga mai ki te ui ki a Ihowa, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira; Na mo nga kupu i rongo na koe,
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
Na te mea he ngawari tou ngakau, a kua whakaiti koe i a koe ki te aroaro o Ihowa, i a koe ka rongo na ki taku i mea ai mo tenei wahi, mo ona tangata hoki, kia meinga ratou hei ururua, hei kanga; a kua haehae i ou kakahu, kua tangi ki toku aroaro; na kua rongo ano hoki ahau i a koe, e ai ta Ihowa.
Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
Nana, ka huihuia atu koe e ahau ki ou matua, ka huihuia atu ano koe ki tou tanumanga i runga i te rangimarie, a e kore ou kanohi e kite i nga kino katoa e kawea mai e ahau ki tenei wahi. Na whakahokia ana te korero e ratou ki te kingi.