Ezekiel 44

Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
וישב אתי דרך שער המקדש החיצון הפנה קדים והוא סגור׃
Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona; fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
ויאמר אלי יהוה השער הזה סגור יהיה לא יפתח ואיש לא יבא בו כי יהוה אלהי ישראל בא בו והיה סגור׃
Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
את הנשיא נשיא הוא ישב בו לאכול לחם לפני יהוה מדרך אלם השער יבוא ומדרכו יצא׃
Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
ויביאני דרך שער הצפון אל פני הבית וארא והנה מלא כבוד יהוה את בית יהוה ואפל אל פני׃
Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
ויאמר אלי יהוה בן אדם שים לבך וראה בעיניך ובאזניך שמע את כל אשר אני מדבר אתך לכל חקות בית יהוה ולכל תורתו ושמת לבך למבוא הבית בכל מוצאי המקדש׃
Ary lazao amin'ireo maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!
ואמרת אל מרי אל בית ישראל כה אמר אדני יהוה רב לכם מכל תועבותיכם בית ישראל׃
dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
בהביאכם בני נכר ערלי לב וערלי בשר להיות במקדשי לחללו את ביתי בהקריבכם את לחמי חלב ודם ויפרו את בריתי אל כל תועבותיכם׃
ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
ולא שמרתם משמרת קדשי ותשימון לשמרי משמרתי במקדשי לכם׃
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.
כה אמר אדני יהוה כל בן נכר ערל לב וערל בשר לא יבוא אל מקדשי לכל בן נכר אשר בתוך בני ישראל׃
Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
כי אם הלוים אשר רחקו מעלי בתעות ישראל אשר תעו מעלי אחרי גלוליהם ונשאו עונם׃
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
והיו במקדשי משרתים פקדות אל שערי הבית ומשרתים את הבית המה ישחטו את העלה ואת הזבח לעם והמה יעמדו לפניהם לשרתם׃
Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
יען אשר ישרתו אותם לפני גלוליהם והיו לבית ישראל למכשול עון על כן נשאתי ידי עליהם נאם אדני יהוה ונשאו עונם׃
ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
ולא יגשו אלי לכהן לי ולגשת על כל קדשי אל קדשי הקדשים ונשאו כלמתם ותועבותם אשר עשו׃
Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
ונתתי אותם שמרי משמרת הבית לכל עבדתו ולכל אשר יעשה בו׃
Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
והכהנים הלוים בני צדוק אשר שמרו את משמרת מקדשי בתעות בני ישראל מעלי המה יקרבו אלי לשרתני ועמדו לפני להקריב לי חלב ודם נאם אדני יהוה׃
Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
המה יבאו אל מקדשי והמה יקרבו אל שלחני לשרתני ושמרו את משמרתי׃
Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
והיה בבואם אל שערי החצר הפנימית בגדי פשתים ילבשו ולא יעלה עליהם צמר בשרתם בשערי החצר הפנימית וביתה׃
Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
פארי פשתים יהיו על ראשם ומכנסי פשתים יהיו על מתניהם לא יחגרו ביזע׃
Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.
ובצאתם אל החצר החיצונה אל החצר החיצונה אל העם יפשטו את בגדיהם אשר המה משרתם בם והניחו אותם בלשכת הקדש ולבשו בגדים אחרים ולא יקדשו את העם בבגדיהם׃
Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
וראשם לא יגלחו ופרע לא ישלחו כסום יכסמו את ראשיהם׃
Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
ויין לא ישתו כל כהן בבואם אל החצר הפנימית׃
Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.
ואלמנה וגרושה לא יקחו להם לנשים כי אם בתולת מזרע בית ישראל והאלמנה אשר תהיה אלמנה מכהן יקחו׃
Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.
ואת עמי יורו בין קדש לחל ובין טמא לטהור יודעם׃
Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
ועל ריב המה יעמדו לשפט במשפטי ושפטהו ואת תורתי ואת חקתי בכל מועדי ישמרו ואת שבתותי יקדשו׃
Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
ואל מת אדם לא יבוא לטמאה כי אם לאב ולאם ולבן ולבת לאח ולאחות אשר לא היתה לאיש יטמאו׃
Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
ואחרי טהרתו שבעת ימים יספרו לו׃
Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
וביום באו אל הקדש אל החצר הפנימית לשרת בקדש יקריב חטאתו נאם אדני יהוה׃
Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
והיתה להם לנחלה אני נחלתם ואחזה לא תתנו להם בישראל אני אחזתם׃
Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.
המנחה והחטאת והאשם המה יאכלום וכל חרם בישראל להם יהיה׃
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
וראשית כל בכורי כל וכל תרומת כל מכל תרומותיכם לכהנים יהיה וראשית ערסותיכם תתנו לכהן להניח ברכה אל ביתך׃
Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.
כל נבלה וטרפה מן העוף ומן הבהמה לא יאכלו הכהנים׃