I Samuel 10

Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
ויקח שמואל את פך השמן ויצק על ראשו וישקהו ויאמר הלוא כי משחך יהוה על נחלתו לנגיד׃
Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
בלכתך היום מעמדי ומצאת שני אנשים עם קברת רחל בגבול בנימן בצלצח ואמרו אליך נמצאו האתנות אשר הלכת לבקש והנה נטש אביך את דברי האתנות ודאג לכם לאמר מה אעשה לבני׃
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
וחלפת משם והלאה ובאת עד אלון תבור ומצאוך שם שלשה אנשים עלים אל האלהים בית אל אחד נשא שלשה גדיים ואחד נשא שלשת ככרות לחם ואחד נשא נבל יין׃
ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
ושאלו לך לשלום ונתנו לך שתי לחם ולקחת מידם׃
Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
אחר כן תבוא גבעת האלהים אשר שם נצבי פלשתים ויהי כבאך שם העיר ופגעת חבל נביאים ירדים מהבמה ולפניהם נבל ותף וחליל וכנור והמה מתנבאים׃
Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
וצלחה עליך רוח יהוה והתנבית עמם ונהפכת לאיש אחר׃
Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
והיה כי תבאינה האתות האלה לך עשה לך אשר תמצא ידך כי האלהים עמך׃
Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
וירדת לפני הגלגל והנה אנכי ירד אליך להעלות עלות לזבח זבחי שלמים שבעת ימים תוחל עד בואי אליך והודעתי לך את אשר תעשה׃
Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
והיה כהפנתו שכמו ללכת מעם שמואל ויהפך לו אלהים לב אחר ויבאו כל האתות האלה ביום ההוא׃
Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
ויבאו שם הגבעתה והנה חבל נבאים לקראתו ותצלח עליו רוח אלהים ויתנבא בתוכם׃
Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
ויהי כל יודעו מאתמול שלשום ויראו והנה עם נבאים נבא ויאמר העם איש אל רעהו מה זה היה לבן קיש הגם שאול בנביאים׃
Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
ויען איש משם ויאמר ומי אביהם על כן היתה למשל הגם שאול בנבאים׃
Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
ויכל מהתנבות ויבא הבמה׃
Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay.
ויאמר דוד שאול אליו ואל נערו אן הלכתם ויאמר לבקש את האתנות ונראה כי אין ונבוא אל שמואל׃
Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
ויאמר דוד שאול הגידה נא לי מה אמר לכם שמואל׃
Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
ויאמר שאול אל דודו הגד הגיד לנו כי נמצאו האתנות ואת דבר המלוכה לא הגיד לו אשר אמר שמואל׃
Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah
ויצעק שמואל את העם אל יהוה המצפה׃
ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
ויאמר אל בני ישראל כה אמר יהוה אלהי ישראל אנכי העליתי את ישראל ממצרים ואציל אתכם מיד מצרים ומיד כל הממלכות הלחצים אתכם׃
Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
ואתם היום מאסתם את אלהיכם אשר הוא מושיע לכם מכל רעותיכם וצרתיכם ותאמרו לו כי מלך תשים עלינו ועתה התיצבו לפני יהוה לשבטיכם ולאלפיכם׃
Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.
ויקרב שמואל את כל שבטי ישראל וילכד שבט בנימן׃
Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
ויקרב את שבט בנימן למשפחתו ותלכד משפחת המטרי וילכד שאול בן קיש ויבקשהו ולא נמצא׃
Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.
וישאלו עוד ביהוה הבא עוד הלם איש ויאמר יהוה הנה הוא נחבא אל הכלים׃
Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
וירצו ויקחהו משם ויתיצב בתוך העם ויגבה מכל העם משכמו ומעלה׃
Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
ויאמר שמואל אל כל העם הראיתם אשר בחר בו יהוה כי אין כמהו בכל העם וירעו כל העם ויאמרו יחי המלך׃
Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
וידבר שמואל אל העם את משפט המלכה ויכתב בספר וינח לפני יהוה וישלח שמואל את כל העם איש לביתו׃
Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.
וגם שאול הלך לביתו גבעתה וילכו עמו החיל אשר נגע אלהים בלבם׃
Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
ובני בליעל אמרו מה ישענו זה ויבזהו ולא הביאו לו מנחה ויהי כמחריש׃