II Samuel 13

Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
Après cela, voici ce qui arriva. Absalom, fils de David, avait une soeur qui était belle et qui s'appelait Tamar; et Amnon, fils de David, l'aima.
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.
Amnon était tourmenté jusqu'à se rendre malade à cause de Tamar, sa soeur; car elle était vierge, et il paraissait difficile à Amnon de faire sur elle la moindre tentative.
Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
Amnon avait un ami, nommé Jonadab, fils de Schimea, frère de David, et Jonadab était un homme très habile.
Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
Il lui dit: Pourquoi deviens-tu, ainsi chaque matin plus maigre, toi, fils de roi? Ne veux-tu pas me le dire? Amnon lui répondit: J'aime Tamar, soeur d'Absalom, mon frère.
Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
Jonadab lui dit: Mets-toi au lit, et fais le malade. Quand ton père viendra te voir, tu lui diras: Permets à Tamar, ma soeur, de venir pour me donner à manger; qu'elle prépare un mets sous mes yeux, afin que je le voie et que je le prenne de sa main.
Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
Amnon se coucha, et fit le malade. Le roi vint le voir, et Amnon dit au roi: Je te prie, que Tamar, ma soeur, vienne faire deux gâteaux sous mes yeux, et que je les mange de sa main.
Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
David envoya dire à Tamar dans l'intérieur des appartements: Va dans la maison d'Amnon, ton frère, et prépare-lui un mets.
Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
Tamar alla dans la maison d'Amnon, son frère, qui était couché. Elle prit de la pâte, la pétrit, prépara devant lui des gâteaux, et les fit cuire;
Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
prenant ensuite la poêle, elle les versa devant lui. Mais Amnon refusa de manger. Il dit: Faites sortir tout le monde. Et tout le monde sortit de chez lui.
Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
Alors Amnon dit à Tamar: Apporte le mets dans la chambre, et que je le mange de ta main. Tamar prit les gâteaux qu'elle avait faits, et les porta à Amnon, son frère, dans la chambre.
Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
Comme elle les lui présentait à manger, il la saisit et lui dit: Viens, couche avec moi, ma soeur.
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
Elle lui répondit: Non, mon frère, ne me déshonore pas, car on n'agit point ainsi en Israël; ne commets pas cette infamie.
Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
Où irais-je, moi, avec ma honte? Et toi, tu serais comme l'un des infâmes en Israël. Maintenant, je te prie, parle au roi, et il ne s'opposera pas à ce que je sois à toi.
Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
Mais il ne voulut pas l'écouter; il lui fit violence, la déshonora et coucha avec elle.
Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
Puis Amnon eut pour elle une forte aversion, plus forte que n'avait été son amour. Et il lui dit: Lève-toi, va-t'en!
Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
Elle lui répondit: N'augmente pas, en me chassant, le mal que tu m'as déjà fait. Il ne voulut pas l'écouter,
Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
et appelant le garçon qui le servait, il dit: Qu'on éloigne de moi cette femme et qu'on la mette dehors. Et ferme la porte après elle!
Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
Elle avait une tunique de plusieurs couleurs; car c'était le vêtement que portaient les filles du roi, aussi longtemps qu'elles étaient vierges. Le serviteur d'Amnon la mit dehors, et ferma la porte après elle.
Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
Tamar répandit de la cendre sur sa tête, et déchira sa tunique bigarrée; elle mit la main sur sa tête, et s'en alla en poussant des cris.
Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
Absalom, son frère, lui dit: Amnon, ton frère, a-t-il été avec toi? Maintenant, ma soeur, tais-toi, c'est ton frère; ne prends pas cette affaire trop à coeur. Et Tamar, désolée, demeura dans la maison d'Absalom, son frère.
Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
Le roi David apprit toutes ces choses, et il fut très irrité.
Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
Absalom ne parla ni en bien ni en mal avec Amnon; mais il le prit en haine, parce qu'il avait déshonoré Tamar, sa soeur.
Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.
Deux ans après, comme Absalom avait les tondeurs à Baal-Hatsor, près d'Ephraïm, il invita tous les fils du roi.
Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
Absalom alla vers le roi, et dit: Voici, ton serviteur a les tondeurs; que le roi et ses serviteurs viennent chez ton serviteur.
Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
Et le roi dit à Absalom: Non, mon fils, nous n'irons pas tous, de peur que nous ne te soyons à charge. Absalom le pressa; mais le roi ne voulut point aller, et il le bénit.
Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
Absalom dit: Permets du moins à Amnon, mon frère, de venir avec nous. Le roi lui répondit: Pourquoi irait-il chez toi?
Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
Sur les instances d'Absalom, le roi laissa aller avec lui Amnon et tous ses fils.
Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Absalom donna cet ordre à ses serviteurs: Faites attention quand le coeur d'Amnon sera égayé par le vin et que je vous dirai: Frappez Amnon! Alors tuez-le; ne craignez point, n'est-ce pas moi qui vous l'ordonne? Soyez fermes, et montrez du courage!
Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
Les serviteurs d'Absalom traitèrent Amnon comme Absalom l'avait ordonné. Et tous les fils du roi se levèrent, montèrent chacun sur son mulet, et s'enfuirent.
Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
Comme ils étaient en chemin, le bruit parvint à David qu'Absalom avait tué tous les fils du roi, et qu'il n'en était pas resté un seul.
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
Le roi se leva, déchira ses vêtements, et se coucha par terre; et tous ses serviteurs étaient là, les vêtements déchirés.
Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny.
Jonadab, fils de Schimea, frère de David, prit la parole et dit: Que mon seigneur ne pense point que tous les jeunes gens, fils du roi, ont été tués, car Amnon seul est mort; et c'est l'effet d'une résolution d'Absalom, depuis le jour où Amnon a déshonoré Tamar, sa soeur.
Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
Que le roi mon seigneur ne se tourmente donc point dans l'idée que tous les fils du roi sont morts, car Amnon seul est mort.
Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
Absalom prit la fuite. Or le jeune homme placé en sentinelle leva les yeux et regarda. Et voici, une grande troupe venait par le chemin qui était derrière lui, du côté de la montagne.
Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa.
Jonadab dit au roi: Voici les fils du roi qui arrivent! Ainsi se confirme ce que disait ton serviteur.
Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
Comme il achevait de parler, voici, les fils du roi arrivèrent. Ils élevèrent la voix, et pleurèrent; le roi aussi et tous ses serviteurs versèrent d'abondantes larmes.
Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
Absalom s'était enfui, et il alla chez Talmaï, fils d'Ammihur, roi de Gueschur. Et David pleurait tous les jours son fils.
Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
Absalom resta trois ans à Gueschur, où il était allé, après avoir pris la fuite.
Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.
Le roi David cessa de poursuivre Absalom, car il était consolé de la mort d'Amnon.