Song of Solomon 7

Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.
王女啊,你的脚在鞋中何其美好!你的大腿圆润,好像美玉,是巧匠的手做成的。
Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.
你的肚脐如圆杯,不缺调和的酒;你的腰如一堆麦子,周围有百合花。
Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
你的两乳好像一对小鹿,就是母鹿双生的。
Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
你的颈项如象牙台;你的眼目像希实本、巴特‧拉并门旁的水池;你的鼻子彷彿朝大马色的黎巴嫩塔。
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.
你的头在你身上好像迦密山;你头上的发是紫黑色;王的心因这下垂的发绺系住了。
Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
我所爱的,你何其美好!何其可悦,使人欢畅喜乐!
Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
你的身量好像棕树;你的两乳如同其上的果子,累累下垂。
Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
我说:我要上这棕树,抓住枝子。愿你的两乳好像葡萄累累下垂,你鼻子的气味香如苹果;
Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,
你的口如上好的酒。女子说:为我的良人下咽舒畅,流入睡觉人的嘴中。
Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.
我属我的良人,他也恋慕我。
An'ny malalako aho, sady manina ahy izy.
我的良人,来吧!你我可以往田间去;你我可以在村庄住宿。
Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
我们早晨起来往葡萄园去,看看葡萄发芽开花没有,石榴放蕊没有;我在那里要将我的爱情给你。
Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao. Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
风茄放香,在我们的门内有各样新陈佳美的果子;我的良人,这都是我为你存留的。