Genesis 6

And it came to pass, when men began to multiply on the face of the earth, and daughters were born unto them,
Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
That the sons of God saw the daughters of men that they were fair; and they took them wives of all which they chose.
dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
And the LORD said, My spirit shall not always strive with man, for that he also is flesh: yet his days shall be an hundred and twenty years.
Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
There were giants in the earth in those days; and also after that, when the sons of God came in unto the daughters of men, and they bare children to them, the same became mighty men which were of old, men of renown.
Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
And GOD saw that the wickedness of man was great in the earth, and that every imagination of the thoughts of his heart was only evil continually.
Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
And it repented the LORD that he had made man on the earth, and it grieved him at his heart.
Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
And the LORD said, I will destroy man whom I have created from the face of the earth; both man, and beast, and the creeping thing, and the fowls of the air; for it repenteth me that I have made them.
Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
But Noah found grace in the eyes of the LORD.
Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah.
These are the generations of Noah: Noah was a just man and perfect in his generations, and Noah walked with God.
Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
And Noah begat three sons, Shem, Ham, and Japheth.
Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta.
The earth also was corrupt before God, and the earth was filled with violence.
Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
And God looked upon the earth, and, behold, it was corrupt; for all flesh had corrupted his way upon the earth.
dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
And God said unto Noah, The end of all flesh is come before me; for the earth is filled with violence through them; and, behold, I will destroy them with the earth.
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
Make thee an ark of gopher wood; rooms shalt thou make in the ark, and shalt pitch it within and without with pitch.
Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
And this is the fashion which thou shalt make it of: The length of the ark shall be three hundred cubits, the breadth of it fifty cubits, and the height of it thirty cubits.
Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
A window shalt thou make to the ark, and in a cubit shalt thou finish it above; and the door of the ark shalt thou set in the side thereof; with lower, second, and third stories shalt thou make it.
Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
And, behold, I, even I, do bring a flood of waters upon the earth, to destroy all flesh, wherein is the breath of life, from under heaven; and every thing that is in the earth shall die.
Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
But with thee will I establish my covenant; and thou shalt come into the ark, thou, and thy sons, and thy wife, and thy sons' wives with thee.
Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
And of every living thing of all flesh, two of every sort shalt thou bring into the ark, to keep them alive with thee; they shall be male and female.
Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
Of fowls after their kind, and of cattle after their kind, of every creeping thing of the earth after his kind, two of every sort shall come unto thee, to keep them alive.
Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
And take thou unto thee of all food that is eaten, and thou shalt gather it to thee; and it shall be for food for thee, and for them.
Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.
Thus did Noah; according to all that God commanded him, so did he.
Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.