Psalms 126

שיר המעלות בשוב יהוה את שיבת ציון היינו כחלמים׃
Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
אז ימלא שחוק פינו ולשוננו רנה אז יאמרו בגוים הגדיל יהוה לעשות עם אלה׃
Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
הגדיל יהוה לעשות עמנו היינו שמחים׃
Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
שובה יהוה את שבותנו כאפיקים בנגב׃
Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.
הזרעים בדמעה ברנה יקצרו׃
Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
הלוך ילך ובכה נשא משך הזרע בא יבוא ברנה נשא אלמתיו׃
Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.