Psalms 114

בצאת ישראל ממצרים בית יעקב מעם לעז׃
Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
היתה יהודה לקדשו ישראל ממשלותיו׃
Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
הים ראה וינס הירדן יסב לאחור׃
Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
ההרים רקדו כאילים גבעות כבני צאן׃
Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
מה לך הים כי תנוס הירדן תסב לאחור׃
Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
ההרים תרקדו כאילים גבעות כבני צאן׃
Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
מלפני אדון חולי ארץ מלפני אלוה יעקב׃
Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
ההפכי הצור אגם מים חלמיש למעינו מים׃
Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.