Psalms 112

הללו יה אשרי איש ירא את יהוה במצותיו חפץ מאד׃
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
גבור בארץ יהיה זרעו דור ישרים יברך׃
Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
הון ועשר בביתו וצדקתו עמדת לעד׃
Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
זרח בחשך אור לישרים חנון ורחום וצדיק׃
Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
טוב איש חונן ומלוה יכלכל דבריו במשפט׃
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
כי לעולם לא ימוט לזכר עולם יהיה צדיק׃
Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
משמועה רעה לא יירא נכון לבו בטח ביהוה׃
Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
סמוך לבו לא יירא עד אשר יראה בצריו׃
Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
פזר נתן לאביונים צדקתו עמדת לעד קרנו תרום בכבוד׃
Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
רשע יראה וכעס שניו יחרק ונמס תאות רשעים תאבד׃
Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.