Psalms 100

מזמור לתודה הריעו ליהוה כל הארץ׃
Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
עבדו את יהוה בשמחה באו לפניו ברננה׃
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
דעו כי יהוה הוא אלהים הוא עשנו ולא אנחנו עמו וצאן מרעיתו׃
Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
באו שעריו בתודה חצרתיו בתהלה הודו לו ברכו שמו׃
Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
כי טוב יהוה לעולם חסדו ועד דר ודר אמונתו׃
Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.