Ezekiel 7

ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
ואתה בן אדם כה אמר אדני יהוה לאדמת ישראל קץ בא הקץ על ארבעת כנפות הארץ׃
Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
עתה הקץ עליך ושלחתי אפי בך ושפטתיך כדרכיך ונתתי עליך את כל תועבתיך׃
Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
ולא תחוס עיני עליך ולא אחמול כי דרכיך עליך אתן ותועבותיך בתוכך תהיין וידעתם כי אני יהוה׃
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
כה אמר אדני יהוה רעה אחת רעה הנה באה׃
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
קץ בא בא הקץ הקיץ אליך הנה באה׃
Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
באה הצפירה אליך יושב הארץ בא העת קרוב היום מהומה ולא הד הרים׃
Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
עתה מקרוב אשפוך חמתי עליך וכליתי אפי בך ושפטתיך כדרכיך ונתתי עליך את כל תועבותיך׃
Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
ולא תחוס עיני ולא אחמול כדרכיך עליך אתן ותועבותיך בתוכך תהיין וידעתם כי אני יהוה מכה׃
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
הנה היום הנה באה יצאה הצפרה צץ המטה פרח הזדון׃
Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
החמס קם למטה רשע לא מהם ולא מהמונם ולא מהמהם ולא נה בהם׃
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.
בא העת הגיע היום הקונה אל ישמח והמוכר אל יתאבל כי חרון אל כל המונה׃
Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
כי המוכר אל הממכר לא ישוב ועוד בחיים חיתם כי חזון אל כל המונה לא ישוב ואיש בעונו חיתו לא יתחזקו׃
Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
תקעו בתקוע והכין הכל ואין הלך למלחמה כי חרוני אל כל המונה׃
Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
החרב בחוץ והדבר והרעב מבית אשר בשדה בחרב ימות ואשר בעיר רעב ודבר יאכלנו׃
Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.
ופלטו פליטיהם והיו אל ההרים כיוני הגאיות כלם המות איש בעונו׃
Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
כל הידים תרפינה וכל ברכים תלכנה מים׃
Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
וחגרו שקים וכסתה אותם פלצות ואל כל פנים בושה ובכל ראשיהם קרחה׃
Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.
כספם בחוצות ישליכו וזהבם לנדה יהיה כספם וזהבם לא יוכל להצילם ביום עברת יהוה נפשם לא ישבעו ומעיהם לא ימלאו כי מכשול עונם היה׃
Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
וצבי עדיו לגאון שמהו וצלמי תועבתם שקוציהם עשו בו על כן נתתיו להם לנדה׃
Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
ונתתיו ביד הזרים לבז ולרשעי הארץ לשלל וחללה׃
Ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
והסבותי פני מהם וחללו את צפוני ובאו בה פריצים וחללוה׃
Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
עשה הרתוק כי הארץ מלאה משפט דמים והעיר מלאה חמס׃
Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
והבאתי רעי גוים וירשו את בתיהם והשבתי גאון עזים ונחלו מקדשיהם׃
Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
קפדה בא ובקשו שלום ואין׃
Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.
הוה על הוה תבוא ושמעה אל שמועה תהיה ובקשו חזון מנביא ותורה תאבד מכהן ועצה מזקנים׃
Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
המלך יתאבל ונשיא ילבש שממה וידי עם הארץ תבהלנה מדרכם אעשה אותם ובמשפטיהם אשפטם וידעו כי אני יהוה׃
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.