Daniel 3

נבוכדנצר מלכא עבד צלם די דהב רומה אמין שתין פתיה אמין שת אקימה בבקעת דורא במדינת בבל׃
Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
ונבוכדנצר מלכא שלח למכנש לאחשדרפניא סגניא ופחותא אדרגזריא גדבריא דתבריא תפתיא וכל שלטני מדינתא למתא לחנכת צלמא די הקים נבוכדנצר מלכא׃
Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
באדין מתכנשין אחשדרפניא סגניא ופחותא אדרגזריא גדבריא דתבריא תפתיא וכל שלטני מדינתא לחנכת צלמא די הקים נבוכדנצר מלכא וקאמין לקבל צלמא די הקים נבוכדנצר׃
Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
וכרוזא קרא בחיל לכון אמרין עממיא אמיא ולשניא׃
Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
בעדנא די תשמעון קל קרנא משרוקיתא קיתרס סבכא פסנתרין סומפניה וכל זני זמרא תפלון ותסגדון לצלם דהבא די הקים נבוכדנצר מלכא׃
Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
ומן די לא יפל ויסגד בה שעתא יתרמא לגוא אתון נורא יקדתא׃
ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
כל קבל דנה בה זמנא כדי שמעין כל עממיא קל קרנא משרוקיתא קיתרס שבכא פסנטרין וכל זני זמרא נפלין כל עממיא אמיא ולשניא סגדין לצלם דהבא די הקים נבוכדנצר מלכא׃
Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
כל קבל דנה בה זמנא קרבו גברין כשדאין ואכלו קרציהון די יהודיא׃
Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.
ענו ואמרין לנבוכדנצר מלכא מלכא לעלמין חיי׃
Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
אנתה מלכא שמת טעם די כל אנש די ישמע קל קרנא משרקיתא קיתרס שבכא פסנתרין וסיפניה וכל זני זמרא יפל ויסגד לצלם דהבא׃
Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
ומן די לא יפל ויסגד יתרמא לגוא אתון נורא יקדתא׃
fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
איתי גברין יהודאין די מנית יתהון על עבידת מדינת בבל שדרך מישך ועבד נגו גבריא אלך לא שמו עליך מלכא טעם לאלהיך לא פלחין ולצלם דהבא די הקימת לא סגדין׃
Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
באדין נבוכדנצר ברגז וחמה אמר להיתיה לשדרך מישך ועבד נגו באדין גבריא אלך היתיו קדם מלכא׃
Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
ענה נבכדנצר ואמר להון הצדא שדרך מישך ועבד נגו לאלהי לא איתיכון פלחין ולצלם דהבא די הקימת לא סגדין׃
Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
כען הן איתיכון עתידין די בעדנא די תשמעון קל קרנא משרוקיתא קיתרס שבכא פסנתרין וסומפניה וכל זני זמרא תפלון ותסגדון לצלמא די עבדת והן לא תסגדון בה שעתה תתרמון לגוא אתון נורא יקדתא ומן הוא אלה די ישיזבנכון מן ידי׃
Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
ענו שדרך מישך ועבד נגו ואמרין למלכא נבוכדנצר לא חשחין אנחנה על דנה פתגם להתבותך׃
Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
הן איתי אלהנא די אנחנא פלחין יכל לשיזבותנא מן אתון נורא יקדתא ומן ידך מלכא ישיזב׃
Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
והן לא ידיע להוא לך מלכא די לאלהיך לא איתנא פלחין ולצלם דהבא די הקימת לא נסגד׃
Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
באדין נבוכדנצר התמלי חמא וצלם אנפוהי אשתנו על שדרך מישך ועבד נגו ענה ואמר למזא לאתונא חד שבעה על די חזה למזיה׃
Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
ולגברין גברי חיל די בחילה אמר לכפתה לשדרך מישך ועבד נגו למרמא לאתון נורא יקדתא׃
Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
באדין גבריא אלך כפתו בסרבליהון פטישיהון וכרבלתהון ולבשיהון ורמיו לגוא אתון נורא יקדתא׃
Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
כל קבל דנה מן די מלת מלכא מחצפה ואתונא אזה יתירא גבריא אלך די הסקו לשדרך מישך ועבד נגו קטל המון שביבא די נורא׃
ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.
וגבריא אלך תלתהון שדרך מישך ועבד נגו נפלו לגוא אתון נורא יקדתא מכפתין׃
Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
אדין נבוכדנצר מלכא תוה וקם בהתבהלה ענה ואמר להדברוהי הלא גברין תלתא רמינא לגוא נורא מכפתין ענין ואמרין למלכא יציבא מלכא׃
Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
ענה ואמר הא אנה חזה גברין ארבעה שרין מהלכין בגוא נורא וחבל לא איתי בהון ורוה די רביעיא דמה לבר אלהין׃
Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
באדין קרב נבוכדנצר לתרע אתון נורא יקדתא ענה ואמר שדרך מישך ועבד נגו עבדוהי די אלהא עליא פקו ואתו באדין נפקין שדרך מישך ועבד נגו מן גוא נורא׃
Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
ומתכנשין אחשדרפניא סגניא ופחותא והדברי מלכא חזין לגבריא אלך די לא שלט נורא בגשמהון ושער ראשהון לא התחרך וסרבליהון לא שנו וריח נור לא עדת בהון׃
Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
ענה נבוכדנצר ואמר בריך אלההון די שדרך מישך ועבד נגו די שלח מלאכה ושיזב לעבדוהי די התרחצו עלוהי ומלת מלכא שניו ויהבו גשמיהון די לא יפלחון ולא יסגדון לכל אלה להן לאלההון׃
Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
ומני שים טעם די כל עם אמה ולשן די יאמר שלה על אלההון די שדרך מישך ועבד נגוא הדמין יתעבד וביתה נולי ישתוה כל קבל די לא איתי אלה אחרן די יכל להצלה כדנה׃
Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
באדין מלכא הצלח לשדרך מישך ועבד נגו במדינת בבל׃
Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny. Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.