tial Dio de Izrael ekscitis kontraŭ ili la spiriton de Pul, reĝo de Asirio, kaj la spiriton de Tiglat-Pileser, reĝo de Asirio, kaj li elpatrujigis la Rubenidojn, la Gadidojn, kaj la duontribon de la Manaseidoj, kaj forkondukis ilin en Ĥalaĥon, Ĥaboron, Haran, kaj al la rivero Gozan ĝis la nuna tago.
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.
Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa; ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy; ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota; ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza; ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana; ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema); ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma; ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka; ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.