Ezekiel 36

「人子啊,你要对以色列山发预言说:以色列山哪,要听耶和华的话。
Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:
主耶和华如此说:因仇敌说:『阿哈!这永久的山冈都归我们为业了!』
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
所以要发预言说,主耶和华如此说:因为敌人使你荒凉,四围吞吃,好叫你归与其余的外邦人为业,并且多嘴多舌的人提起你来,百姓也说你有臭名。
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
故此,以色列山要听主耶和华的话。大山小冈、水沟山谷、荒废之地、被弃之城,为四围其余的外邦人所占据、所讥刺的,
Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
主耶和华对你们如此说:我真发愤恨如火,责备那其余的外邦人和以东的众人。他们快乐满怀,心存恨恶,将我的地归自己为业,又看为被弃的掠物。
Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny  fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
所以,你要指著以色列地说预言,对大山小冈、水沟山谷说,主耶和华如此说:我发愤恨和忿怒说,因你们曾受外邦人的羞辱,
Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
所以我起誓说:你们四围的外邦人总要担当自己的羞辱。这是主耶和华说的。
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
「以色列山哪,你必发枝条,为我的民以色列结果子,因为他们快要来到。
Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
看哪,我是帮助你的,也必向你转意,使你得以耕种。
Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
我必使以色列全家的人数在你上面增多,城邑有人居住,荒场再被建造。
Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
我必使人和牲畜在你上面加增;他们必生养众多。我要使你照旧有人居住,并要赐福与你比先前更多,你就知道我是耶和华。
Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
我必使人,就是我的民以色列,行在你上面。他们必得你为业;你也不再使他们丧子。
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
主耶和华如此说:因为人对你说:『你是吞吃人的,又使国民丧子』,
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
所以主耶和华说:你必不再吞吃人,也不再使国民丧子。
Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
我使你不再听见各国的羞辱,不再受万民的辱骂,也不再使国民绊跌。这是主耶和华说的。」
Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,以色列家住在本地的时候,在行动作为上玷污那地。他们的行为在我面前,好像正在经期的妇人那样污秽。
Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.
所以我因他们在那地上流人的血,又因他们以偶像玷污那地,就把我的忿怒倾在他们身上。
Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
我将他们分散在列国,四散在列邦,按他们的行动作为惩罚他们。
Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
他们到了所去的列国,就使我的圣名被亵渎;因为人谈论他们说,这是耶和华的民,是从耶和华的地出来的。
Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
我却顾惜我的圣名,就是以色列家在所到的列国中所亵渎的。
Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.
「所以,你要对以色列家说,主耶和华如此说:以色列家啊,我行这事不是为你们,乃是为我的圣名,就是在你们到的列国中所亵渎的。
Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.
我要使我的大名显为圣;这名在列国中已被亵渎,就是你们在他们中间所亵渎的。我在他们眼前,在你们身上显为圣的时候,他们就知道我是耶和华。这是主耶和华说的。
Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
我必从各国收取你们,从列邦聚集你们,引导你们归回本地。
Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.
我必用清水洒在你们身上,你们就洁净了。我要洁净你们,使你们脱离一切的污秽,弃掉一切的偶像。
Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
我也要赐给你们一个新心,将新灵放在你们里面,又从你们的肉体中除掉石心,赐给你们肉心。
Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
我必将我的灵放在你们里面,使你们顺从我的律例,谨守遵行我的典章。
Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
你们必住在我所赐给你们列祖之地。你们要作我的子民,我要作你们的 神。
Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
我必救你们脱离一切的污秽,也必命五谷丰登,不使你们遭遇饥荒。
Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
我必使树木多结果子,田地多出土产,好叫你们不再因饥荒受外邦人的讥诮。
ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
那时,你们必追想你们的恶行和你们不善的作为,就因你们的罪孽和可憎的事厌恶自己。
Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
主耶和华说:你们要知道,我这样行不是为你们。以色列家啊,当为自己的行为抱愧蒙羞。
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
「主耶和华如此说:我洁净你们,使你们脱离一切罪孽的日子,必使城邑有人居住,荒场再被建造。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
过路的人虽看为荒废之地,现今这荒废之地仍得耕种。
Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.
他们必说:『这先前为荒废之地,现在成如伊甸园;这荒废凄凉、毁坏的城邑现在坚固有人居住。』
Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
那时,在你们四围其余的外邦人必知道我─耶和华修造那毁坏之处,培植那荒废之地。我─耶和华说过,也必成就。
ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
「主耶和华如此说:我要加增以色列家的人数,多如羊群。他们必为这事向我求问,我要给他们成就。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
耶路撒冷在守节作祭物所献的羊群怎样多,照样,荒凉的城邑必被人群充满。他们就知道我是耶和华。」
Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.