Ezekiel 35

耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要面向西珥山发预言,攻击它,
Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
对它说,主耶和华如此说:西珥山哪,我与你为敌,必向你伸手攻击你,使你荒凉,令人惊骇。
dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
我必使你的城邑变为荒场,成为凄凉。你就知道我是耶和华。
Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
因为你永怀仇恨,在以色列人遭灾、罪孽到了尽头的时候,将他们交与刀剑,
Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,
所以主耶和华说:我指著我的永生起誓,我必使你遭遇流血的报应,罪(原文是血;本节同)必追赶你;你既不恨恶杀人流血,所以这罪必追赶你。
Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
我必使西珥山荒凉,令人惊骇,来往经过的人我必剪除。
Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
我必使西珥山满有被杀的人。被刀杀的,必倒在你小山和山谷,并一切的溪水中。
Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra.
我必使你永远荒凉,使你的城邑无人居住,你的民就知道我是耶和华。
Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
因为你曾说:『这二国这二邦必归于我,我必得为业』(其实耶和华仍在那里),
Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
所以主耶和华说:我指著我的永生起誓,我必照你的怒气和你从仇恨中向他们所发的嫉妒待你。我审判你的时候,必将自己显明在他们中间。
Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao.
你也必知道我─耶和华听见了你的一切毁谤,就是你攻击以色列山的话,说:『这些山荒凉,是归我们吞灭的。』
Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
你们也用口向我夸大,增添与我反对的话,我都听见了。
Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
主耶和华如此说:全地欢乐的时候,我必使你荒凉。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
你怎样因以色列家的地业荒凉而喜乐,我必照你所行的待你。西珥山哪,你和以东全地必都荒凉。你们就知道我是耶和华。」
Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.