Ezekiel 37

耶和华的灵(原文是手)降在我身上。耶和华借他的灵带我出去,将我放在平原中;这平原遍满骸骨。
Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
他使我从骸骨的四围经过,谁知在平原的骸骨甚多,而且极其枯干。
Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
他对我说:「人子啊,这些骸骨能复活吗?」我说:「主耶和华啊,你是知道的。」
Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
他又对我说:「你向这些骸骨发预言说:枯干的骸骨啊,要听耶和华的话。
Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
主耶和华对这些骸骨如此说:『我必使气息进入你们里面,你们就要活了。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
我必给你们加上筋,使你们长肉,又将皮遮蔽你们,使气息进入你们里面,你们就要活了;你们便知道我是耶和华。』」
ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
于是,我遵命说预言。正说预言的时候,不料,有响声,有地震;骨与骨互相联络。
Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
我观看,见骸骨上有筋,也长了肉,又有皮遮蔽其上,只是还没有气息。
Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
主对我说:「人子啊,你要发预言,向风发预言,说主耶和华如此说:气息啊,要从四方(原文是风)而来,吹在这些被杀的人身上,使他们活了。」
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
于是我遵命说预言,气息就进入骸骨,骸骨便活了,并且站起来,成为极大的军队。
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
主对我说:「人子啊,这些骸骨就是以色列全家。他们说:『我们的骨头枯干了,我们的指望失去了,我们灭绝净尽了。』
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
所以你要发预言对他们说,主耶和华如此说:『我的民哪,我必开你们的坟墓,使你们从坟墓中出来,领你们进入以色列地。
Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely;
我的民哪,我开你们的坟墓,使你们从坟墓中出来,你们就知道我是耶和华。
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo.
我必将我的灵放在你们里面,你们就要活了。我将你们安置在本地,你们就知道我─耶和华如此说,也如此成就了。这是耶和华说的。』」
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要取一根木杖,在其上写『为犹大和他的同伴以色列人』;又取一根木杖,在其上写『为约瑟,就是为以法莲,又为他的同伴以色列全家』。
Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
你要使这两根木杖接连为一,在你手中成为一根。
Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
你本国的子民问你说:『这是什么意思?你不指示我们么?』
Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?
你就对他们说:主耶和华如此说:『我要将约瑟和他同伴以色列支派的杖,就是那在以法莲手中的,与犹大的杖一同接连为一,在我手中成为一根。』
dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
你所写的那两根杖要在他们眼前拿在手中,
Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
要对他们说,主耶和华如此说:我要将以色列人从他们所到的各国收取,又从四围聚集他们,引导他们归回本地。
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
我要使他们在那地,在以色列山上成为一国,有一王作他们众民的王。他们不再为二国,决不再分为二国;
ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
也不再因偶像和可憎的物,并一切的罪过玷污自己。我却要救他们出离一切的住处,就是他们犯罪的地方;我要洁净他们,如此,他们要作我的子民,我要作他们的 神。
Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
「我的仆人大卫必作他们的王;众民必归一个牧人。他们必顺从我的典章,谨守遵行我的律例。
Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
他们必住在我赐给我仆人雅各的地上,就是你们列祖所住之地。他们和他们的子孙,并子孙的子孙,都永远住在那里。我的仆人大卫必作他们的王,直到永远。
Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
并且我要与他们立平安的约,作为永约。我也要将他们安置在本地,使他们的人数增多,又在他们中间设立我的圣所,直到永远。
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
我的居所必在他们中间;我要作他们的 神,他们要作我的子民。
Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
我的圣所在以色列人中间直到永远,外邦人就必知道我是叫以色列成为圣的耶和华。」
Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.