Ezekiel 31

十一年三月初一日,耶和华的话临到我说:
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要向埃及王法老和他的众人说:在威势上谁能与你相比呢?
Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
亚述王曾如黎巴嫩中的香柏树,枝条荣美,影密如林,极其高大,树尖插入云中。
Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
众水使它生长;深水使它长大。所栽之地有江河围流,汊出的水道延到田野诸树。
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
所以他高大超过田野诸树;发旺的时候,枝子繁多,因得大水之力枝条长长。
Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
空中的飞鸟都在枝子上搭窝;田野的走兽都在枝条下生子;所有大国的人民都在它荫下居住。
Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.
树大条长,成为荣美,因为根在众水之旁。
Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.
 神园中的香柏树不能遮蔽它;松树不及它的枝子;枫树不及它的枝条; 神园中的树都没有它荣美。
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
我使它的枝条蕃多,成为荣美,以致 神伊甸园中的树都嫉妒它。」
Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
所以主耶和华如此说:「因它高大,树尖插入云中,心骄气傲,
Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
我就必将他交给列国中大有威势的人;他必定办他。我因他的罪恶,已经驱逐他。
Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
外邦人,就是列邦中强暴的,将它砍断弃掉。它的枝条落在山间和一切谷中,它的枝子折断,落在地的一切河旁。地上的众民已经走去,离开它的荫下。
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
空中的飞鸟都要宿在这败落的树上,田野的走兽都要卧在它的枝条下,
Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,
好使水旁的诸树不因高大而自尊,也不将树尖插入云中,并且那些得水滋润、有势力的,也不得高大自立。因为它们在世人中,和下坑的人都被交与死亡,到阴府去了。」
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
主耶和华如此说:「它下阴间的那日,我便使人悲哀。我为它遮盖深渊,使江河凝结,大水停流;我也使黎巴嫩为它悽惨,田野的诸树都因它发昏。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
我将它扔到阴间,与下坑的人一同下去。那时,列国听见它坠落的响声就都震动,并且伊甸的一切树─就是黎巴嫩得水滋润、最佳最美的树─都在阴府受了安慰。
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,
它们也与它同下阴间,到被杀的人那里。它们曾作它的膀臂,在列国中它的荫下居住。
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.
在这样荣耀威势上,在伊甸园诸树中,谁能与你相比呢?然而你要与伊甸的诸树一同下到阴府,在未受割礼的人中,与被杀的人一同躺卧。法老和他的群众乃是如此。这是主耶和华说的。」
Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.