Ezekiel 30

耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要发预言说,主耶和华如此说:哀哉这日!你们应当哭号。
Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
因为耶和华的日子临近,就是密云之日,列国受罚之期。
Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
必有刀剑临到埃及;在埃及被杀之人仆倒的时候,古实人就有痛苦,人民必被掳掠,基址必被拆毁。
Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
古实人、弗人(或译:利比亚)、路德人、杂族的人民,并古巴人,以及同盟之地的人都要与埃及人一同倒在刀下。」
Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
耶和华如此说:扶助埃及的也必倾倒。埃及因势力而有的骄傲必降低微;其中的人民,从色弗尼塔起(见二十九章十节)必倒在刀下。这是主耶和华说的。
Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
埃及地在荒凉的国中必成为荒凉;埃及城在荒废的城中也变为荒废。
Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.
我在埃及中使火著起;帮助埃及的,都被灭绝。那时,他们就知道我是耶和华。
Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
「到那日,必有使者坐船,从我面前出去,使安逸无虑的古实人惊惧;必有痛苦临到他们,好像埃及遭灾的日子一样。看哪,这事临近了!
Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
主耶和华如此说:我必借巴比伦王尼布甲尼撒的手,除灭埃及众人。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta.
他和随从他的人,就是列国中强暴的,必进来毁灭这地。他们必拔刀攻击埃及,使遍地有被杀的人。
Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
我必使江河干涸,将地卖在恶人的手中;我必借外邦人的手,使这地和其中所有的变为凄凉。这是我─耶和华说的。
Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
主耶和华如此说:我必毁灭偶像,从挪弗除灭神像;必不再有君王出自埃及地。我要使埃及地的人惧怕。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;
我必使巴忒罗荒凉,在琐安中使火著起,向挪施行审判。
Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;
我必将我的忿怒倒在埃及的保障上,就是训上,并要剪除挪的众人。
Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
我必在埃及中使火著起;训必大大痛苦;挪必被攻破;挪弗白日(或译:终日)见仇敌。
Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.
亚文和比伯实的少年人必倒在刀下;这些城的人必被掳掠。
Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
我在答比匿折断埃及的诸轭,使她因势力而有的骄傲在其中止息。那时,日光必退去;至于这城,必有密云遮蔽,其中的女子必被掳掠。
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
我必这样向埃及施行审判,他们就知道我是耶和华。」
Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
十一年正月初七日,耶和华的话临到我说:
Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,我已打折埃及王法老的膀臂;没有敷药,也没有用布缠好,使他有力持刀。
Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
所以主耶和华如此说:看哪,我与埃及王法老为敌,必将他有力的膀臂和已打折的膀臂全行打断,使刀从他手中坠落。
Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
我必将埃及人分散在列国,四散在列邦。
Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa.
我必使巴比伦王的膀臂有力,将我的刀交在他手中;却要打断法老的膀臂,他就在巴比伦王面前唉哼,如同受死伤的人一样。
Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
我必扶持巴比伦王的膀臂,法老的膀臂却要下垂;我将我的刀交在巴比伦王手中,他必举刀攻击埃及地,他们就知道我是耶和华。
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
我必将埃及人分散在列国,四散在列邦;他们就知道我是耶和华。」
Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.