II Chronicles 3

所罗门就在耶路撒冷、耶和华向他父大卫显现的摩利亚山上,就是耶布斯人阿珥楠的禾场上、大卫所指定的地方预备好了,开工建造耶和华的殿。
Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
所罗门作王第四年二月初二日开工建造。
Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
所罗门建筑 神殿的根基,乃是这样:长六十肘,宽二十肘,都按著古时的尺寸。
Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
殿前的廊子长二十肘,与殿的宽窄一样,高一百二十肘;里面贴上精金。
Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
大殿的墙都用松木板遮蔽,又贴了精金,上面雕刻棕树和鍊子;
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.
又用宝石装饰殿墙,使殿华美;所用的金子都是巴瓦音的金子。
Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
又用金子贴殿和殿的栋梁、门槛、墙壁、门扇;墙上雕刻基路伯。
Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
又建造至圣所,长二十肘,与殿的宽窄一样,宽也是二十肘;贴上精金,共用金子六百他连得。
Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
金钉重五十舍客勒。楼房都贴上金子。
Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
在至圣所按造像的法子造两个基路伯,用金子包裹。
Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
两个基路伯的翅膀共长二十肘。这基路伯的一个翅膀长五肘,挨著殿这边的墙;那一个翅膀也长五肘,与那基路伯翅膀相接。
Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
那基路伯的一个翅膀长五肘,挨著殿那边的墙;那一个翅膀也长五肘,与这基路伯的翅膀相接。
ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
两个基路伯张开翅膀,共长二十肘,面向外殿而立。
Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
又用蓝色、紫色、朱红色线和细麻织幔子,在其上绣出基路伯来。
Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
在殿前造了两根柱子,高三十五肘;每柱顶高五肘。
Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
又照圣所内鍊子的样式做鍊子,安在柱顶上;又做一百石榴,安在鍊子上。
Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.
将两根柱子立在殿前,一根在右边,一根在左边;右边的起名叫雅斤,左边的起名叫波阿斯。
Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.