Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.
Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.
Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.