Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;