Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma;
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina;
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.