Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.
Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.