Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.